Toe-karena

Lalao’tsika – Yas Madagascar : Mpanjifa 32 nisitraka fanomezana

Natolotra omaly, teny Andraharo, ny lokan’ireo tsara vintana rehetra amin’ny «lalao’ tsika» andiany fahefatra nokarakarain’ny Yas Ma­da­gascar. Hetsika anisan’ny andrasan’ny mpanjifa isan-taona ny «lalao’tsika». «Natao hizarana fanomezana ho an’ny mpanjia sy hampahafantarana ny tolotra rehetra misy eo amin’ny Yas Mada­gascar ny lalao», hoy ny tomponandraikitry ny orinasa, Andriambololoniaina Riantsoa. Tamin’ity […]

VAOVAO TAMBATRA

Hotanterahina ny 1 marsa ny “Tropic Awards 2025”. Hetsika hanomezana loka an’ireo mpanentana (influenceurs) eo amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny sakafo. Manome lanja ny vokatra malagasy sy mampahafantatra an’i Madagasikara eto an-toerana sy any ivelany ireto mpisehatra ireto hampiroboroboana ny seha-pihariana. Nankatoavina ny fomba fanao tsara amin’ny fambolena kafe […]

Arabe migodana : Hamatsy vola ny tapany faharoa ny Badea

Misy sahady ny vokatra, nandritra ny dian’ny filoha Rajoelina Andry any Dubai, nanatrika ny fivoriambe WGS 2025. Nankasitrahin’ny filo­han’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana –Badea, i Sidi Ould Tah, ny tetikasan’ny filoha Rajoelina Andry, ha­nam­boatra arabe migodana, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Nambarany, fa fotodrafitrasa goavana hanova ny firenena malagasy ity […]

Fahavitan-tena ara-tsakafo : Nampivoatra ny fomba famokarana ny Sanoi

Nahomby ny fanavaozana ny fomba famokarana, notohanan’ny fandaharanasa Sanoi. Voakasik’izany ny firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ka anisany i Madagasikara. Nanomboka ny taona 2021 ary nifarana tamin’ity 2025 ity ny fandaharanasa Tantsoroka ho an’ny fanjarian-tsakafo aty amin’ny ranomasimbe Indiana (Sanoi). Namolavola azy ny Vondrona ranomasimbe Indianina (COI), notohanan’ny Vondrona eoropeanina […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 10 000 ny zana-kazo honko nambolena, tamina velaran-tany 5 ha, tany Antalaha, fokontany Ambalavontaka, kaominina Ankatafana, distrika Manajary, ny 6 febroary teo. Manamorona ny Lakandranon’i Pangalana ity toerana ity, ka nampifandrifiana ny fanokafana ny fotoam-pambolen-kazo 2025 ho an’ny faritra Vatovavy, sady fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny faritra mando rahateo. […]