Toe-karena

Orinasa malagasy 12: mandray anjara amin’ny fampisehoana BioFach any Nuremberg

12 ny orinasa malagasy mandray anjara amin’ny fampisehoana momba ny vokatry ny fambolena « bio » amin’ny BioFach any Nuremberg, Alemaina ny 14 hatramin’ny 17 fe- broary 2023. Fampisehoana lehibe in­drindra momba ny sakafo, koa nohararaotin’ireo orinasa malagasy ireo ny nampahafantra vokatra avy aty Madagasikara, harena lehibe amin’io sehatra io. […]

Sambo vaventy: mpizahatany 1.608 tonga any Toamasina

Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny fizahantany eto Toamasina, taorian’ireny krizy ara-pahasalamana Covid-19 nandritra ny roa taona ireny. Tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny ala­tsinainy13 febroary teo ny sambo vaventy Costa Deli­ziosa, nitondra mpizahatany vahiny miisa 1.608. Ahitana teratany frantsay, alemà, espanola, anglisy ary italiana, ireto farany izay maro an’isa in­drindra. […]

Tetikasa Tatom : hitarina ny seranan-tsambon’i Toamasina

Niara-nidinika mikasika ny tetikasa Tatom (Antanana­rivo-Toamasina, Madagasi­kara) ireo minisitera efatra, omaly, teny Anosy. Nahitana ny sekreteram-panjakana misa­hana ny tanàna vaovao, mini­siteran’ny Fanajariana ny tany, minisiteran’ny Fitate­rana ary ny minisiteran’ny Asa vaventy. Tanjona ny hanajariana ny fitaterana sy ny tanànan’An­tananarivo, Toamasina ary ny tambajotra Antananarivo- Toa­masina. Nandinika ny fanitarana ny seranan-tsambon’i […]