Tranga

Lehilahy migadra eny Tsiafahy: roa lahy maty voatsindron’antsy

Maty noleran’ny namany antsy ny lehilahy roa, avy nandray karama. Nikasa hitsoaka any Ambohimahasoa ilay nahavanon-doza ka voasambotra tanaty taksibrosy. Naiditra am-ponja eny Tsiafahy izy. Niara-maty noleran’ny lehilahy iray mpiara-miasa aminy sady na­many antsy ireo roa lahy teny Ambohipiraisana, fokontany Ambohitrombihavana, kaominina Ambohimangakely, dis­trika Antananarivo Avaradrano, ny 25 mey lasa […]

Efa simba ny razana: lehilahy hita faty tao ambany tetezana mainty

Nampihoron-koditra ! Raim-pianakaviana iray hita faty tao ambany tetezana mainty ao Toamasina, omaly maraina. Efa simba tanteraka raha ny fahitana ny razana satria efa nibontsina sady maimbo. Hatreto aloha tsy fantatra mazava ireo tompon’antoka tamin’izao vonoan’olona feno habibiana izao. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina ao Toa­masina, […]

Nihinana trondro nisy poizina: telo mianaka niara-maty

Maty tao anatin’ny andro iray ny ramatoa iray sy ny zanany roa tao Antalaha. Nihinina hazandrano nisy poizina izy ireo. Nifanesy nindaosin’ny fahafatesana ny telo mianaka monina ao amin’ny fokontany Marintsoa, kaominina Antalaha, afakomaly. Nividy trondro teny amin’ny tsenan’Ankoalabe ny raim-pianakaviana, ny alatsinainy 3 jona teo, tamin’ny 5 ora hariva. […]

Fandrobana teny Ambondrona : Jiolahy maty voatifitry ny polisy

Nirefodrefotra ny basy teny Ambondrona, omaly hariva tamin’ny 4 ora. Jiolahy nikasa handroba maty voatifitry ny polisy. Roa lahy nitam-basy nandroba renim-pianakaviana iray avy naka vola teny amin’ny Cash-point, etsy Ambondrona, omaly. Na­rahin’ireo olon-dratsy io renim-pianakaviana io rehefa avy naka vola. Nandeha moto ilay ramatoa ka nosakanan’ireo olon-dratsy ny moto. […]