Niosin-dra tanteraka ary tsy nisy loha intsony, ankizilahy iray hita faty tao amin’ny fokontany Bemelo, kaominina Ianabinda, distrikan’i Betroka, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Naharay antso tamin’ny lehiben’ny fokontany ao an-toerana ny zandary miasa ao Ianabinda momba ny fahitana fatin’olona mampiahiahy tanteraka. Nidina ifotony nanamarina ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. […]
Tranga
Imerinafovoany : Mpitondra moto voatoraka tapa-biriky
Lasan’ny olon-dratsy ny moto 4T an’ny raim-pianakaviana iray teny Imerinafovoany, kaominina Talatamaty, ny alin’ny alarobia 20 aogositra teo, tamin’ny 12 ora alina. Nandeha irery tamin’ny moto io lehilahy io. Nisy olon-dratsy tampoka nitoraka azy tamin’ny alalan’ny tapa-biriky. Miisa dimy ireo jiolahy io ka nifandrombaka nidaroka an’io mpitondra moto io. Nosavainy […]
Olona efatra migadra : Ankizivavy dimy taona, hatakalo 150 tapitrisa Ar
Avotra teo am-pelatanan’ny mpaka an-keriny ny ankizivavy, dimy taona. Nangataka vola mitentina 150 tapitrisa Ar ireo olon-dratsy. Voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ambohimandroso ireto farany. Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana, afakomaly, ny raharaha mahakasika ny fakana an-keriny ankizivavy kely 5 taona tany Ambohimandroso Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro, ny herinandro lasa […]
Ambatoboeny : Rongony 24 kg saron’ny zandary
Natsipin’olona nampiahiahy avy hatrany ny rongony tamin’ ny gony nentiny rehefa nahatazana mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina ambanivohitra Manerinerina, distrikan’ Ambatoboeny, ny 17 aogositra teo, izy ireo. Naharay loharanom-baovao ny zandarimaria miasa ao an-toerana fa misy olona mitatitra rongony mihaodihaody ao an-tanàna. Mpamatsy rongony ao amin’ny tanànan’Ambatoboeny rahateo […]
Kaominina Miary : Alika romotra nanaikitr’olona
Olona tsy latsaky ny sivy no voakakitry ny alika tao amin’ ny kaominina Miary, distrikan’i Toliara II, hatramin’ny omaly. Alika iray mirenireny an-dalambe io nanaikitra olona io ka nivoa-dra izay tratrany. Misy olona hafa koa, efa niharan’ny kaikitr’alika saingy alika hafa loko sy karazana. Manahy amin’ ny mety hisian’ny alika romotra […]




