Fitaovam-piadiana mahery vaika fampiasan’ny olon-dratsy nogiazan’ny zandary ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Basy mitotaly 41 azo tao anatin’ny herintaona. Miasa andro aman’alina, mitandro hatrany ny fandriampahalemana no vaindohan-draharaha ho an’ny zandarimaria miasa ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Anisan’ny vokatra goavana azon’izy ireo nandritra ity taona ity ny fanangonana fitaovam-piadiana fampiasan’ny […]
Tranga
Naka an-keriny zaza 3 taona: Voasambotra ireo nahavanon-doza
Olona roa, lehilahy sy vehivavy niara-notanan’ny mpitandro filaminana hatao famotorana, nanomboka afakomaly, taorian’ny fakana an-keriny zazavavy vao telo taona monja tao Ambatoboeny. Nalain’ny olon-dratsy io zaza io ny 27 oktobra lasa teo. Nifampitadiavan’ny fianakaviany saingy tsy hita popoka nanomboka tamin’ny 11 ora atoandro. Nametraka fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny […]
Halatra moto teny Alasora : Jiolahy roa saron’ny zandary
Tratran’ny zandarimaria ny roa lahy tompon’antoka tamin’ny halatra moto teny amin’ny kaominina Alasora, afakomaly. Nitrangana halatra moto tao amin’ny fokontany Andavarangana Amboaroy, kaominina Alasora, ny 25 oktobra lasa teo. Very ka nifampitadiavan’ny tompony tamin’izany ny scooter iray marika “Cygnus”. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny lasibatra. Niroso tamin’ny fikarohana […]
Andrin-jiro mamoa-doza : Vehivavy iray maty, iray hafa malemy
Maty tsy tra-drano ny ramatoa iray, omaly, tetsy Ankadimbahoaka. Main’ny herinaratra amin’ny andrin-jiro teo akaikin’ny toeram-pivarotany izy. Nalemy kosa ny ilan’ny vehivavy iray, nikasa hanavotra azy. Namoy ny ainy, main’ny herinaratra tetsy amin’ny fokontany Ankadimbahoaka Andrefana, ny ramatoa iray manodidina ny 40 taona, omaly tokony ho tamin’ ny 12 ora […]
CEG Talatamaty : Nisy tranga hafahafa nahazo ireo mpianatra
Mpianatra miisa efatra, ao amin’ny kilasy fahasivy, tetsy amin’ny sekolim-panjakana, CEG Talamaty, niharan’ny tranga hafahafa omaly maraina. Nibitabitaka, nitsipatsipaka, nitabataba, nitomany, niha sempotra ary niafara tamin’ny fahatoranana mihitsy ny fisehon’ny aretina, raha ny fanazavan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra teny an-toerana. Nifindra tamin’ireo iray kilasy taminy izany ka nisehoan’ilay tranga ihany koa […]





