Tokantrano 26 may kilan’ny afo tetsy Anosibe Mandrangobato I, afakomaly alina tamin’ny 8 ora. 12 ireo tranohazo ary fito ny tranobiriky lasibatry ny afo. Mahatratra 90 ireo olona niharam-boina. Niainga tao amin’ny tranohazo iray ny afo. “Nandeha nivoaka tany ivelan’ny trano avokoa ny olon-drehetra tamin’ny fotoana nandresen’ny ekipa Barea afakomaly […]
Tranga
Lehilahy iray novonoina vehivavy : Hita faty tetsy Anosibe
Lehilahy iray manodidina ny 37 taona hita faty tetsy amin’ny arabe akaikin’ny mpivarotra voninkazo, anelanelan’ny Lalamby Anosibe sy ny hopitaly HJRA, omaly tamin’ny 1 ora atoandro. Novonoin’ny vehivavy anankiroa izay mipetraka amin’ny trano baoritra eo amin’ny lalamby izy io sy ny vadiny, afakomaly tamin’ny 5 ora hariva. “Tonga tety an-toerana […]
Mpilatsaka an’elonaina tra-doza : zandary roa sy tafika iray namoy ny ainy
Manamboninahitra eo anivon’ny zandarimaria miisa roa sy tafika iray niara-namoy ny ainy taorian’ny loza nahazo azy ireo nandritra ny filatsahana an’elonaina tao Arivonimamo, omaly. Manaraka fitsaboana ireo namany. Kaomandà Zafidahy avy eo anivon’ny “Groupement des forces spécialisées d’intervention (GFSI)”, ny lietnà Njakarababany Jeodard, avy eo anivon’ny “Centre de formation spécialisée” […]
Barikadimy: Mpianatra roa voaheloka herintaona
Tontosa ny marainan’ny talata 26 aogositra teo ny fotoam-pitsarana an’ireo mpianatra enina mirahalahy voampanga tamin’ny fandratrana olona sy fanimbana zavatra, toy ny fiara, teo amin’ny lalam-pirenena faharoa, ny 20 aogositra lasa teo. Taorin’ny fifandaharana, nambaran’ny filoha mpamoaka didy fa sazy fananarana no omena ireo mpianatra ireo. Iray voaheloka enim-bolana sazy […]
Fikasana hanolana : Lehilahy lehibe iray voasambotry ny polisy
Tratra teo am-pikasana hanolana ankizivavy kely vao 8 taona monja tany Aranta Mahajanga afakomaly, ny lehilahy iray 52 taona. Tamin’ny 11 ora alina, saika aholany tao anaty bajaj izay noentiny io ankizivavy kely io. Nahita ny zava-nitranga ary nahatratra azy teo am-pikasana hanao ny asa ratsiny ny polisy miasa ao […]




