Tranga

Nanafika Cash point: Jiolahy iray voasambotra

Jiolahy nitam-basy tratran’ny polisim-pirenena miasa ao Toliara, omaly. Nanafika mpiasa amin’ny toerana fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday, Cash point, tao Tsie­nengea, ny olon-dratsy roa, ny talata 18 novambra lasa teo. Hamonjy fodiana, ny harivan’io andro io, ilay ramatoa kinanjo narahin’ireo mpanao ratsy. Nambanan’izy ireo tamin’ny basy ka voaroba ny vola teny […]

Lozam-pifamoivoizana teny Ankasina Lehilahy iray maty, nitroatra ny mponina

Maty voadonan’ny fiara teny Ankasina ny lehilahy iray, omaly. Nandositra ilay tompon’antoka. Tezitra ka nikomy ny mponina, nivadika ho sakan-dalana sy fandorana kodiarana ny zava-nisy. Nanomboka tamin’ny 6 ora sy sasany maraina, nanakan-dalana sy na­metraka sakana teny amin’ny lalam-baovao mampitohy an’ Andohatapenaka sy Ankazo­manga, ny mponina teny Anka­sina, omaly. Tsiahivina […]

Ambodivona : Lehilahy nangalatra 5 tapitrisa Ar voasambotra

Mpiasa nangalatra volan’ ny mpampiasa azy voasambotra tetsy amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Ambo­di­voina, ny 16 novambra teo. Niasa tao amin’ny tranombarotra iray tao Mananara Ava­ratra io lehilahy io. Nana­raraotra ny fahatokisan’ny mpampiasa azy izy ka nan­javona nanomboka ny 10 no­vambra lasa teo. Nanama­rina ny vola tao an-tsena ny mpam­piasa azy, kinanjo […]

Voalaza ho nangala-bola : Tovolahy nananton-tena tamin’ny tady

Hita faty nihantona tamin’ny tady tao an-tranony, tany Maha­tsinjo, vakim-paritra voalohany, Mahajanga, afakomaly atoandro, ny tovolahy iray manodidina ny 13 taona. Niara-nipetraka tamin’ny reniny izy, ary tamin’ny fotoana tsy nahatao ity farany no namonoany tena. Nandeha nivoaka niasa maraina ny reniny. Vatana manga­tsiaka efa nihantona tamin’ny tady sisa novantaniny tao […]

Lehilahy hita faty tetsy Andoharanofotsy : Karohin’ny zandary fatratra ny vadiny

Hita faty nafenina tao ambany fandriana, tetsy Andoharanofotsy, ny lehilahy iray afakomaly. Ahina ny vadiny niara-monina taminy ka karohin’ny zandary fatratra. Nitrangana vono olona mahatsiravina tao amin’ ny fokontany Beomby, Andoharanofotsy, afakomaly maraina. Hita faty nafenina tany ambany fandriana, tao amin’ny rihana faharoa, ny lehilahy iray, 31 taona. Nahi­tana dian’antsy […]