Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambony, any Mananjary, afakomaly, ireo olona valo voarohirohy ao anatin’ny tambajotra mpaka an-keriny zaza varira. Vokany, naiditra vonjimaika am-ponja avokoa izy rehetra, taorian’izay. Voasambotra ny 16 aogositra 2025 lasa teo, tany Ambalahosy Avaratra, distrikan’i Mananjary, ny olon-dratsy miisa enina, raha toa ka efa voasambotra sy […]
Tranga
Tsy nahaloa vidin-tsakafo: Voasambotra ilay teratany frantsay
Tratra ihany rehefa niafina nandritra ny andro vitsivitsy ny lehilahy teratany frantsay 42 taona. Nanjifa tamin’ny toeram-pisakafoana iray tao Toamasina izy, ny 14 aogositra lasa teo. Nitsoaka avy hatrany avy eo satria tsy nahaloa ny vidin-tsakafo nohaniny. Hitan’ny mpaka fasika teo ambany tetezana Analamalotra, kaominin’Antetezambaro, Toamasina II, izy io ny […]
Efa-dahy voasambotra: Vehivavy voaolana sady voadaroka
Nivonto maso sy tarehy ny vehivavy iray niharan’ny fanolanana sy vono nataon’ny efa-dahy tao Antatamokely-Ampatsakana, kaominina Ankazobe, ny alahady teo. Tratra avokoa ireo nahavanon-doza. Nalemy, vaky loha sady nivonto ny tata-masony roa an’ny vehivavy iray niharan’ny fanolanana sy vono tao Antatamokely-Ampatsakana, fokontany Ankazobe I, kaominina Ankazobe, ny alahady 17 aogositra […]
Andavamamba: Lehilahy roa tratra nangalatra solika
Voasambotry ny polisim-pirenena Ilanivato (PPA3), tetsy Andavamamba Ambilanibe, omaly, ireo roa lahy nangalatra sy nanodinkodina solika. Nisy olona tsara sitrapo nampilaza ny mpitandro filaminana fa misy olona mangalatra sy manafina solika eny an-toerana. Nidina ifotony avy hatrany ny ekipa mpanao fisafoana eo anivon’ny polisy taorian’ny antso. Tratra nisintona solika tao […]
Manjakandriana: Namoy ny ainy ilay voafaokan’ny 4×4
Niampita arabe tampoka, voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana ny ankizy iray 9 taona, tao Ambohimanatrika, kaominina Manjakandriana, ny harivan’ny alahady 17 aogositra lasa teo. Nentina teratany vahiny io fiara 4X4 io. Tsy nanampo na inona na inona ny mpamily, kinanjo nanapaka tampoka niampita io zaza io. Voadona ilay zaza. Namoy ny ainy […]




