Tranga

Fihinanana antsantsa: Telo namoy ny ainy, 12 manaraka fitsaboana

Olona 15 tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo tany amin’ny fokontany Analovana, kaominina ambanivohitr’i Fa­nam­bana, distrikan’i Vohemar, ny faran’ny herinandro teo. Tafakatra telo ireo olona maty vokatr’izany, hatramin’izao, raha ny tatitra voaray avy any an-toerana. 12 ireo mbola manaraka fitsaboana any anivon’ny hopitaly Salfa. Raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana, nihinana antsantsa […]

MPAMILY nahafaty olona roa: Nahazo sazy mihantona herintaona

Nivoaka omaly, teny anivon’ny fitsarana Anosy, ny didy momba ny mpamily fiara Mazda nandona ka nahafaty olona roa nitaingina moto teny Andraharo, ny 26 janoary lasa teo. Nampiaka-peo ny fianakavian’ireo namoy ny ainy tamin’io fotoana io, taorian’ny didim-pitsarana nivoaka. Nosazian’ny fitsarana higadra herintaona sazy mihantona ny mpamilin’ny fiara nahavanon-doza. Tsy […]

Raikely naiditra am-ponja: Mirongatra ny fanolanana sy ny fifamotorana

Mirongatra indray ny fanolanana. Zazavavikely vao 9 taona sy 13 taona no lasibatry ny raikeliny. Mahazo vahana ny fifamotorana. Andrasana ny fampiharana ny lalàna. Mitady hahazo vahana indray ny fanolanana ankizy sy tovovavikely amin’izao fotoana izao. Tao anatin’ny herinandro, olona efatra no naiditra am-ponja. Ny tena zava-doza, ny ray aman-dreny […]

Haintrano tetsy Andavamamba : Rangahy iray may kilan’ny afo tao an-tranony

Nitrangana haintrano na­mo­izana aina indray tetsy amin’ny Cité Tanambao Anda­vamamba, Andavama­mba Anjezika II, boriborintany voalohany, omaly maraina ta­min’ny 10 ora latsaka fah­fany. May kilan’ny afo nandritra izany, ny lehilahy iray, manodidina ny 50 taona. Raha ny fanazavana voaray amin’ny mponina manodidina, mipetra-drery io rangahy maty io. Trano biriky nahitana efitra […]

Ady tany any Antsihanaka: Izay manana taratasy ara-dalàna no tompony

Nihaona tamin’ny mpitandro filaminana sy ny sampan-draharahan’ny fananan-tany tao Tangorona, ireo vondron’ olona milaza fa tompon-tany ara-dalàna any Antsihanaka, ny Alakamisy lasa teo. Nanamarina ampahibemaso ny tomponandraikitra fa izay manana taratasy ara-dalàna (bokin-tany na kara-tany) ihany no tompony sy afaka mamboly ary mioty ny vokatra aminy. ” Midika izany fa […]