Narian’ireo tsy mataho-tody tao anaty lakandrano iray tetsy Tsarafaritra Tsimbazaza ny fatin’i Miguel, ankizilahy kely vao 7 taona monja. Nahitana diam-pamaky miisa dimy tao amin’ny faritry ny lohany aoriana. Hita faty tao anaty lakandrano iray, tetsy Tsarafaritra Tsimbazaza ny fatin’i Miguel, ankizilahy kely vao 7 taona monja, ny alin’ny zoma mankany amin’ny […]
Tranga
Fivarotana sary mamoafady : Nalefa eny Antanimora ny tompon’antoka
Natolotra ny fampanoavana ny 12 novambra 2025 teo ny vehivavy 24 taona, tompon’antoka tamin’ny fivarotana sary mamoafady, an’ ankizy tsy ampy taona. Taorian’ny fakàna am-bavany azy teo anatrehan’ny mpitsara, nadoboka vonjimaika eny Antanimora ny tenany, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy. Maro ny sarina zaza sy ankizy malagasy tsy ampy taona mivoaka […]
Naka an-keriny mpandraharaha: Jiolahy dimy lavon’ny polisy
Namoy ny ainy avokoa ny dimy tamin’ireo mpaka an-keriny tao Antsirabe, ny 13 novambra lasa teo. Nalain’ny olon-dratsy ny mpandraharaha sady tompona orinasa iray ao an-toerana, ny alarobia 12 novambra lasa teo. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny fianakavian’ny lasibatra. Nanao ny fanangonam-baovao rehetra avy hatrany ny “Cellule mixte” […]
Nikasa hanafika : Jiolahy mitam-piadiana ravan’ny zandary
Ravan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra (CB) Fenoarivo, notarihin’ny GPHC Rakotonanahary Joro, ny alin’ny alahady 9 novambra 2025, ireo jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana amin’iny distrikan’Atsimondrano iny. Notafihin’ny andian-jiolahy ny mpivarotra iray ao amin’ny fokontany Ambohimangidy, Ampitatafika, tamin’io fotoana io. Voaroban’ireo mpanafika tamin’ izany ny entam-barotra, finday marobe ary vola 4 500 000Ar. […]
Namono zazavavy 7 taona : Roa lahy voasazy higadra mandra-pahafaty
Nahazo didy avy amin’ny fitsarana heloka bevava ao Fianarantsoa hisazy asa an-terivozona mandra-pahafaty ireo roa lahy namono nahafaty an’i Miley kely, omaly. Voasambotra ny 17 novambra 2024 lasa teo ny olona miisa telo voarohirohy ho tompon’ antoka tamin’io vonoan’olona mahatsiravina, tao atsimon’ny Lysea Raherivelo Ramamonjy, ao Fianarantsoa, io. Nifampitadiavan’ny fianakaviany […]





