Tranga

Ambodin’Isotry: Ramatoa tratra nanendaka

Miandahy miambavy ny fanaovana asa ratsy, indrindra eto an-dRenivohitra, amin’izao fotoana. Vehivavy 50 taona nosamborin’ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny CSP4 teny Ambodin’Isotry, ny zoma 15 aogositra teo. Maro olona mifamezivezy, hanjakan’ny tontakely toy ny mpanao sinto-mahery sy mpanataka poketra amin’ny lame, iny toerana iny. Niharan’izany ny vehivavy iray ka lasan’ireo […]

Lozam-pifamoivoizana: Olona fito namoy ny ainy

Niseholany ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena, ny faran’ny herinandro teo. Olona miisa fito namoy ny ainy. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tany amin’ny tetezana Ihazomay, fokontany Fanjakamandroso, kaominina ambanivohitra Ankadinondry Sakay, ny zoma tamin’ny 10 ora alina lasa teo. Nikasa hi­songona kamiao tao anaty fiakarana ny fiara sprinter iray manao zotra […]

Ady amin’ny zava-mahadomelina : Nentanina ny mponin’i Toliara

Nidina ifotony nanao fanentanana ny mponina tany Mangily Toliara II, mahakasika ny ady amin’ny zava-mahadomelina, ny polisim-pirenena, ny 13 aogositra teo. Faritra anisan’ny tena ahitana rongony « cannabis » na jamala, izay fahita matetika eto Madagasikara, ny any Toliara. Tsy mijanona fotsiny amin’ny fanenjehana an’ireo olona tompon’antoka amin’ny fivarotana sy […]

Ahina ho lonilonin’ny mpivady : Renim-pianakaviana notifirina teo amin’ny tendany

Renim-pianakaviana iray no maty voatifitra teo amin’ny tendany tamin’ny alarobia alina, tao Toamasina. Efa misy ny hirika nanombohan’ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana hamantarana izay tompon’antoka. Matin’ny bala tokana, no­tifirin’ny olon-dratsy teo amin’ny tendany, i Brucia Sizaza, renim-pianakaviana iray monina ao Toama­sina. Tao anatin’ny fiara nentiny no nitrangan’ity vono olona hafahafa […]