Maty niharan’ny hatezeram-bahoaka ireo roa lahy tao Befandriana Avaratra, omaly atoandro. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny halatra omby miharo vono olona tao amin’ny tanàna tsy lavitra an’Ankobakobaka izy ireo. Notafihin’ny jiolahy ny raim-pianakaviana iray ary lasan’ izy ireo ny omby folo, ny herinandro lasa teo. Nofatorana ny olona sasany tamin’ireo voaroba. […]
Tranga
Mitentina 175 tapitrisa Ar: naiditra am-ponja ireo nangalatra kofehy
Nidoboka vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, afakomaly, ireo mpiasa tompon’antoka tamina halatra tao amina orinasa afakaba iray eny Tanjombato. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, nitrangana halatra tao amina orinasa iray teny an-toerana. Nahaverezana kofehy fanamboarana akanjo tao amin’io orinasa io. Milanja 596 kg, mitentim-bidy 175 tapitrisa Ar […]
Fiparitahan’ny basy : nikaondoha ireo teknisianina
Nitsangana ny vondron’ireo rantsamangaika samihafa misehatra amin’ny fikirakirana ny fitaovam-piadiana. Nisy ny fivoriana niompana tamin’izany teny Ampahibe, notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Delphin, omaly. Ity vondrona ity, eo ambany fiahian’ny MFA, ahitana ireo andrimpanjakana sy ireo departemanta eo anivon’ny minisitera isan-tsokajiny ary ny mpivarotra basy (Neron). Toromarika […]
Fahatapahan-drano lavareny : mitroatra ny mponina!
Mampiaka-peo sy maneho ny hatezerany ny mponina eto an-dRenivohitra noho ny fahatapahan-drano tsy ahitam-bahaolana. Misy ny midina an-dalambe sy mandoro kodiarana. Miitatra isaky ny fokontany, naneho ny tsy fahafaliany manoloana ny tsy fisian’ny rano ny mponin’Antananarivo Renivohitra. Nanakan-dalana, nitsoka kiririoka ny fokonolona tetsy Ambohijatovo-Ivandry, omaly. Nidina an-dalambe, nisintona lakolosy manoloana […]
Paka tao Toamasina : olona valo voatsatoka antsy
Tsy nahasakana ny olona tsy hanao fety ny fisian’ny rotsakorana nandritra ny alatsinain’ny Paka, tao Toamasina. Tonga maro teny amoron-dranomasina ny olona. Na teo aza anefa izay fahabetsahan’ny olona izay, tsy nisy kosa ny loza an-dranomasina fa nilamina amin’ny ankapobeny ny fiatrehana ny fety. Amin’ny maha fety ny andro, niakatra […]