Tranga

Cocaïne : amidy 4 500 euros ny iray kilao

Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Nosy Be, ny sabotsy teo, ny teratany maorisianina iray sy Malagasy enina, voarohirohy ho tompon’antoka tamina trafikana zava-mahadomelina mahery vaika antsoina hoe «haschich» (zava-mahadomelina mahery vaika iray karazana amin’ny cocaïne). Saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Diego Hely Dzamanjar, Nosy Be, ny zoma, ity tambajotrana […]

Tsarasaotra: fiara nivadika, olona iray maty

Namono olona indray ny lalam-baovao Tsarasaotra Ivato, ny sabotsy teo. Roa lahy nandeha fiara Golf iray no tra-doza tampoka rehefa nitrongy andrin-jiro. Raha ny tatitra nampita­in’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana, vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Sodokan’ny hatsaran’ny lalana ny mpamily ka nandeha mafy. Tsy nahafehy ny familiana […]

Avy namita iraka: zandary efatra maty an-drano

Namoy ny ainy am-perinasa ny zandary efa-dahy, ny faran’ny herinandro teo. Maty an-drano teny am-pamitana iraka izy ireo. Misaona ny zandarimariam-pirenena. Maty am-perinasa, natelin’ny rano teny am-pamitana iraka ny zandary efa-dahy. Miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Soakibany, ao amin’ny tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Atsimo Atsi­nanana ny telo lahy : Zandary kilasy voalohany Zafindra­mara Tris, […]

Fanesorana fako: tsy nandray karama, mitokona ny mpiasa

Mpiasan’ny SMA efatra no nosamborin’ny mpitandro filaminana, omaly, nandritra ny fihetsiketsehana nataon’izy ireo. Nitokona sy voalaza fa nanakorontana ny fifamoivoizana teny Ampasampito izy ireo. Nambara fa anton’ny fitokonana tsy nandray karama izy ireo. Sady nobahanana daba ny arabe no naongan’ny mpanao fihetsiketsehana izany. Naparitan’izy ireo teny an-dalàna, ny fako tao […]

Matetika miditra am-ponja: lavon’ny polisy ny jio­lahy mpamerin-keloka

Maty voatifitry ny polisin’ny UIR tao amin’ny fokontany Tsa­rarano Ambany, Mahajanga, omaly maraina, ny jiolahy raindahiny amin’ny halatra arahina herisetra. Efa fanta-daza amin’ny resaka halatra sy fanendahana ao an-drenivohitry ny faritra Boeny ity jiolahy ity. Tsy vitan’izay fa mpamerin-keloka sy efa matetika migadra ihany koa izy, raha ny tatitra nampitain’ny […]