Nifanena tamin’ny polisy eo anivon’ny CSP 3 nanao fisafoana, mpamaky trano iray voasambotra teny Tsarahonenana, ny zoma 11 jolay teo, tamin’ny 1 ora sy sasany tolakandro. Nampiahiahy ny fihetsik’io lehilahy io satria niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray izy. Nandrasan’ny polisy kendry tohana. Nitondra vilany miisa telo niampy radio iray […]
Tranga
Efa-bolana nifampitadiavana: Hita ny fatin’i Mahandry, nofongarina omaly ny razana
Izay vao hita! Razana sisa no nofongarin’ny fianakavian’i Mahandry, omaly. Tsy hita ny volana marsa izy, raha nikasa ny handeha hividy vary tany Soavinandriana. Voasambotry ny polisy ireo ahina ho nahavanon-doza. Tsy hita popoka nandritra ny efa-bolana sy tapany i Mahandry. Taolam-balo sisa no hany tafaverina tany amin’ny fianakaviany, omaly. […]
Lasa hatramin’ny papay : Mirongatra ny asan-jiolahy ao Toamasina
Tsy mifidy hangalarina intsony… ! Koveta, siny, bidao anatazana ranon’olona na papay maniry eo an-tokotany aza lasan-dry zalahy. Izany no nitranga tao amin’ny fokontany maromaro ao Toamasina, omaly. Tsy laitra iainana intsony ny tsy fandriampahalemana. Mirongatra ny asan-jiolahy mitam-piadiana raha tsy iresaka intsony ny fanendahana sy halatra isaky ny alina. […]
Ampanefy: Jiolahy miisa 10 nandroba tokantrano iray
Ahitana fanafihana mitam-piadiana matetika eny amin’ny distrikan’Antsimondrano tato ho ato. Nidiran’ny jiolahy an-keriny, manodidina ny 10, ny tokantranon’ny vehivavy iray tetsy Malaho, kaominina ambanivohitra Ampanefy, ny alin’ny sabotsy 12 jolay 2025, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina lasa teo. Tsy nisy nisaron-tava ireo olon-dratsy, mbola nirongo fitaovam-piadiana toy […]
Nivadi-pitokisana : Mpanampy nandroba 2 tapitrisa Ar
Mpanampy nangala-bola voasambotry ny zandary tao Ambavahaditokana, distrikan’Atsimondrano, afakomaly. Novakian’ny vehivavy mpanampy an-trano ny efitranon’ny mpampiasa azy ka norobainy ny vola mitetina 2 tapitrisa Ar. Nametrahan’ny tompon-trano fitokisana io vehivavy io. Mivelona amin’ny alalan’ny fanampiana amin’ny fanaovana ny raharaha isan-karazany ao amin’ny mpampiasa azy io mpanampy io. Fantany avokoa, araka […]




