Tranga

Famakiana ny Kianjan’ny 13 Mey: Miaramila iray sy sivily roa namoy ny ainy voatifitra

Miaramila kilasy faharoa, niasa tao amin’ny Capsat no maty, afakomaly. Voatifitra tamin’ny fifanjevoana teny amin’ny Toby Ratsimandrava izy. Nisy sivily roa lahy kosa lavo teny Ambohidahy. Niampy telo ny olona namoy ny ainy nandritra ny hetsika fidinana an-dalambe nataon’ny Gen Z sy ny vahoaka leo delestazy. Miaramila iray, miasa ao […]

Imerintsiatosika : Zaza 6 taona maty voafaokan’ny fiara

Nifamonjen’ny nanatri-maso ny zazalahy 6 taona voafaokan’ny fiara Starex teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teo Bemasoandro, kaominina Imerintsiatosika, oma­ly. Nirava avy nianatra ka nandeha tamin’ny sisin-dalana ilay zazalahy. Nirimorimo ny fiara iray niloko mavo ka nahafaoka tsinahy an’io mpianatra io. Nipitika avy hatrany ity farany. Naratra mafy noho ny dona nahazo […]

Nanolana ankizy 13 taona : Rangahy iray voasambotry ny polisy

Nosamborin’ny polisim-pirenena avy amin’ny Compagnie régionale Fip Analamanga, tany Anjozorobe, afakomaly, ny lehilahy iray 50 taona. Voarohirohy tamin’ny fanolanana ankizivavy 13 taona izy. Nofitahiny sy notambazany zavatra ilay ankizivavy. Rehefa izay, hoentiny any amin’ny toerana mangingina ary any no anamparany ny filan-dratsiny. Nitantara ny zava-nanjo azy tamin’ny ray aman-dreniny ilay […]

Hetsiky ny GEN Z : Nifarana tamin’ny tora-bato sy doro kodiarana

Nifampiraharaha nandritra ny adin’iray ora sy sasany tamin’ny mpitandro filaminana nanoloana ny farihin’Anosy, voasakana hatrany, ny fikasan’ireo Gen Z hihazo an’Ambohijatovo, omaly. Niafara tamin’ny tora-bato, fandoroana kodiarana sy hikiaka na­taon’ireo tanora mpitolona ny hetsika Gen Z teny Antanim­barinandriana sy Anosy, omaly. Nifampitaona teny an-toerana ireo mpanao fihetsiketsehana. Niatrana tsikelikely teo […]

Nampiasa vola sandoka : Mpisoloky nahatrarana 1 700 000 Ar

Lehilahy mpampiasa vola sandoka notanan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny biraon’ny polisy Analavory, ny talata 7 oktobra lasa teo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana mi­asa ao amin’ny kaominina Analavory fa misy tranga fiparitahana vola sandoka. Nanao fanadihadiana izy ireo. No­resen’ilay mpanao ratsy lahatra ny mpivarotra omby iray ka lasany ny omby. […]