Tafika miisa roa, niampy vehivavy iray hafa, niara-voasambotra momba ny fakana an-keriny tao Ankadikely, distrika Avaradrano, ny 15 jolay teo. Notakin’ireto voasambotra vola mitetina 10 tapitrisa Ar ny lasibatra. Nitonona ho mpiasan’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) ireo olon-dratsy naka an-keriny vehivavy iray teny amin’ny trano fonenany eny Ankadikely-Ilafy, ny […]
Tranga
Ampitatafika : Lehilahy voatsatok’antsy hita faty
Lehilahy manodidina ny 30 taona eo, hita faty teny Sidisidina Tangaina, fokontany Atsimombohitra, kaominina Ampitatafika, distrika Antananarivo Atsimondrano, omaly maraina tamin’ny 6 ora. Mpandroaka sarety sy mpanao biriky nandeha maraina no nahita vatan-dehilahy iray nivalampatra ka nampilaza ny tomponandraikitra. Tonga teny an-toerana nijery sy nanao ny fanadihadiana ny zandary avy […]
Analankinina – Hopitaly Be : Andian-jiolahy diso adiresy teo am-panafihana
Tokantrano iray indray nidiran’ny jiolahy miisa dimy nisaron-tava daholo sady nirongo fitaovam-piadiana tao amin’ny fokontany Analankinina Hopitaly Be, parisela 12-21/22, kaominina Toamasina, afakomaly. Nisava ny trano sady nitaky vola ireo olon-dratsy rehefa tafiditra. Nanambana basy sy antsy ny tompon-trano ny jiolahy hafa. Nilaza ho tsy nanana sady tsy nampiditra io […]
Avotra teny amin’ny seranan’Ivato : Zaza valo volana hamidy any Gabon
Ravan’ny polisy ny 12 jolay lasa teo, ny tambajotra iray mpanondrana olona mankany ivelany. Avotra teo am-pelatanan’izy ireo ny zaza vao valo volana, saika hamidy any Gabon. Tra-tehaka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny sabotsy lasa teo, ny renim-pianakaviana iray nikasa hitondra zaza hamidy any Gabon. Nisandoka ho renin’ilay zaza izy […]
Ahina ho nangala-bola: Ankizivavy 13 taona tadiavin’ny ray aman-dreniny
Ankizivavy 13 taona, monina ao amin’ny fokontany Andramasina, kaominina Ambatomanjaka, distrikan’i Miarinarivo, karohin’ny ray aman-dreniny nanomboka ny 13 jolay teo. Nametraka fitarainana teny anivon’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Miarinarivo ny rain’io zaza io, ny alahady 13 jolay teo. Nipetraka tamin’ny olona izay fianakavian’izy ireo ihany, tao Miarinarivo ny zanany vavy, […]




