Nitrangana haintrano tao amin’ny kartie Antaninarenina, Fort-Dauphin, afakomaly, tamin’ny 2 ora sy sasany hariva. Trano miisa enina no kila forehitra, nahitana tokantrano 15 isa. Mahatratra 92 ny isan’ny traboina, izay mpianatra ny 15 amin’izany. Niara-nientana namono ny afo ny mponina tany an-toerana. Naharitra ora maro vao voafehy izany. Vokany, lasa […]
Tranga
Vono olona : Mpiambina hita faty tapa-doha
Nentin’ny tsy mataho-tody ny lohan’ny lehilahy mpiambina anatin’ny tanàna iray tao Vodifosa, distrikan’i Farafangana, afakomaly alina. Ny marain’ny alatsinainy, hitan’ny fokonolona nitsirara teo an-tanimboly ny vatan-dehilahy iray. Tsy nisy loha intsony io olona io, saingy tsy vaovao ho azy ireo ny firafitry ny vatany sy ny akanjo teny an-koditr’io lasibatra […]
By-Pass : Mpitondra moto namoy ny ainy
Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto iray tra-doza teny By-Pass, omaly maraina tamin’ny 6 ora sy sasany. Nifandona tamin’ny fiara nifanoha-dalana taminy izy ka nipitika avy eny ambony moto. Nitondra ireny karazana moto matanjaka sady lehibe antsoin’ny tanora “gros cylindre” ireny io lehilahy io. Nandeha mafy izy, araka ny fitantaran’ny […]
INDRAY MIJERY
Notanterahina tetsy amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka ny fivoriambe faha-29 ny synodam-paritany Antananarivo Andrefana (SPAA 10) ao amin’ny sahan’ny FJKM. Natao tamin’izany ny fiarahabana ireo mpiasa vaovao hiasa ao anatin’ny synodam-paritany. Mamokatra be, mamokatra tsara, mamokatra maharitra, izay no hafatra nentin’ny filohan’ny FJKM nandritra izany. Anisan’ny iharan’ny fikorontanana noho ny hetsi-bahoaka […]
Fanafihan-jiolahy : Olona roa maty, roa naratra mafy
Nanjakan’ny dahalo tanteraka tao amin’ny tanànakely iray “ex Collège” manamorona ny reniranon’Ivoloina, ao amin’ny fokontany Ivoloina ihany, distrikan’i Toamasina II. Raha ny angom-baovao tany an-toerana, misasakalina no niditra an-keriny trano fivarotana voalohany ny andian-jiolahy miisa folo mirongo basy poleta roa, raha antsy lava kosa ny ambiny. Vao tafasokatra ny varavaran’ireto […]





