Tsy mety fongana! Saron’ ny zandary mpanao sakana tao Ankaramena, RN 7 PK 510+100, ny fiara Sprinter mpitondra entana nitondra zanaka baobaba na Jabihy Operculicarya decaryi 18 kesika, afakomaly vao maraina. Avy any Isalo hihazo an’i Fianarantsoa ity fiara ity no tratra nitondra ireto hazo voarara tsy azo aondrana ireto. […]
Tranga
Vavitokan’ny ray aman-dreniny : maty voadonan’ny kamiaobe i Mitia
Ranomaso, horakoraka…ny an’ireo ray aman-drenin’i Mitia, ilay ankizivavikely maty voadonan’ny kamiaobe, omaly hariva, teny Ambohimangakely. Nipotsaka ny atidohany, nandriaka eraky ny arabe ny ra. Araka ny fitantaran’ireo olona nahita maso ny fitrangan’ny loza, niampita ny arabe izy no notsenain’ilay kamiaobe. Vavitokan’ny ray aman-dreniny anefa izy kanjo izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka […]
Nokendaina sy feno dian-drangotra : renim-pianakaviana hita faty tao an-tranony
Tsy nisy namantarana azy! Potika ny tarehin’ny renim-pianakaviana iray hita faty tao an-tranony, ao Andrefan’ny abatoara, fokontany Mahitsy, afakomaly. Nokendaina sady feno dian-drangotra… Renim-pianakaviana iray 59 taona no novonoin’olon-tsy fantatra tao an-tranony ao Andrefan’ny abatoara, fokontany sy kaominina Mahitsy, distrikan’ Ambohidratrimo, afakomaly. Tonga nampilaza tao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao […]
TSELATRA
Namoy ny ainy voatifitry ny mpitandro filaminana ilay lehilahy namono zazalahy 8 taona, tao Anjiajia, distrikan’Ambato-Boeny, ny 15 avrily teo. Nifampitadiavan’ ny fianakaviany io zazalahy io rehefa niandry ondry ka tsy hita, ny tolakandron’ny 11 avrily teo. Nentin’ny olona tsy fantatra izy araka ny nambaran’ireo ankizy namany tamin’ ny havany […]
Naiditra am-ponja eny Antanimora : saron’ny polisin’ny BC ireo jiolahy mpangalatra fiara
Naiditra am-ponja eny Antanimora afakomaly ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamina halatra miaro vono olona. Voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) sakelika fahefatra (BC4) teny Andravoahangy sy Ankadifotsy, ny 11 avrily 2024 teo ry zalahy ireto. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, ny 7 avrily lasa teo, jiolahy efatra no […]