Raim-pianakaviana, mpivarotra enta-madinika iray tany Antalata Ambohimahasoa, maty voatsatok’antsy in-12 tao an-tranony, ny alarobia lasa teo. Voatsindrona tamin’ izany, ny tendany, ny lohany, ny tarehiny, ny ambavafony ary ny kibony, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Nisy lehilahy roa nilaza hividy sigara sy fahana atao amin’ny finday tao an-tsenan’io mpandraharaha io, […]
Tranga
Analamahitsy : Vehivavy tera-dahy teny an-dalana
Latsaka nanoloana ny kaomisarian’ny Polisy Analamahitsy ny zanaky ny renim-pianakaviana iray, omaly. An-dalana handeha hihazo ny toeram-pitsaboana fa ho teraka io vehivavy io sy ny fianakaviany. Efa naneho fihetsika hafahafa ilay renim-pianakaviana vantany vao niala tany an-trano. Tsy tanàny intsony ny kibony ka naka sisiny teo amin’ny tambohon’ny polisy io […]
Ahina ho fanapoizinana: Telo mianaka niara-maty, olona enina naiditra am-ponja
Nalefa eny Tsiafahy sy Ankazondrano Fianarantsoa, afakomaly, ny olona enina ahina ho nanapoizina mpandraharaha. Tranga niseho tao Ikalamavony nandritra ny fankalazana ny andron’ny 8 marsa. Vehivavy efatra niampy lehilahy roa nohazonina vonjimaika any am-ponja, afakomaly. Ahina ho voasaringotra tamin’ny fahafatesan’olona miisa telo, tao Ikalamavony izy ireo. Raha ny fanazavana avy […]
Narahin’ny olon-dratsy efa-dahy : Lehilahy voatsatok’antsy teo amin’ny tavany
Naratra mafy voan’ny antsy nataon’ny olon-dratsy miisa efatra ny raim-pianakaviana iray tao Analatsiandry, kaominina Miarinavaratra, distrikan’i Fandriana Fisakana, ny alin’ny alakamisy 9 jolay teo. «Avy nivarotra tao an-tsena i dada sy i mama niaraka amin’ny zaodahiny”, hoy ny fanazavan’ny zanaky ny lasibatra. Niala sahabo 50 metatra ny tsena ka nanomboka […]
Ambohijanaka: Mpamaky trano tratra teny an-tanimbary
Voasambotry ny fokonolona sy ny zandary teny an-tanimbary, ny mpamaky trano iray tao amin’ny kaominina Ambohijanaka, afakomaly. Niditra mangingina tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny Antovontany io lehilahy io, ny atoandron’io alarobia 9 jolay io. Nobatainy ny fahitalavitra. Nitsorika nivoaka avy hatrany izy. Tsikaritry ny mpiara-monina ny fihetsik’io olon-dratsy io. […]




