Raim-pianakaviana iray sahabo ho 45 taona hitan’ny mpiasan’ny seranan-tsambo hamonjy asa vao maraina, ny talata faha-7 oktobra teo, tokony ho tamin’ny 4 ora sy 30 mn, nitsirara mifanakaiky amin’ny tobin-tsolika iray ao Ampasimazava – Toamasina. Nandritra ny fandalovan’ny mpanao gazety teny an-toerana, raha nanontany ireo rehetra nanatri-maso, mpivarotra sakafo masaka, mpiasan’ny […]
Tranga
Analamahitsy: Trano niharan’ny firehetana
Niatrana teny Analamahitsy ambony, anatin’ny boriborintany fahadimy, ny sampana mpamonjy voina, taorian’ ny firehetana trano tao amin’ ny tanàna iray teny an-toerana, omaly atoandro. Nanomboka niaka-tsetroka io trano io ary nikoropaka ireo mponina manodidina. “Nahitana firehetana ity trano ity nanomboka tamin’ny 11 ora sy 40 minitra teo ho eo”, hoy […]
Ankazomanga : Moto nifatratra tamin’ny kamiao
Tapa-tongotra ny renim-pianakaviana iray ary naratra mafy ny lehilahy nitondra kodiaran-droa tra-doza teny Ankazomanga-Andraharo, ny alin’ny alatsinainy 6 septambra teo, tamin’ny 10 ora. Kamiao lehibe an’ny orinasa tsy miankina iray nifandona tampoka tamin’ilay moto. Nikasa hihazo ny lalana mampitohy an’Andraharo sy Ambohimanarina ireto farany raha toa ka niditra amin’ny vavahadin’ilay […]
Hetsiky ny Gen Z : Olona telo naratra, mpitsabo iray torana
Nahatratra telo ireo olona naratra nandritra ny fifandonana teo amin’ny mpitolona ao anatin’ny Gen Z sy ireo mpitandro filaminana, omaly, tetsy Anosibe. Mpitsabo iray ihany koa torana, sempotry ny lakrimozenina tamin’izany. Nihazo an’Anosy ary nikasa hihazo an’Ambohijatovo ireo mpitolona avy amin’ny Gen Z, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Efa niandry […]
Anosibe Angarangarana: Lehilahy iray voaroba sy voatifitra
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tetsy Anosibe Angarangarana, omaly maraina tamin’ny 8 ora sy 10 minitra. Notifirin’ny jiolahy tamin’ny basy ary voa mafy teo amin’ny tendany ny lehilahy iray 28 taona. Tonga nividy entana teo amin’ny mpamongady iray teny an-toerana io lasibatra io. Nividy lafarinina 15 gony sy vary 20 gony ary […]





