Maty nitifi-tena ny zandary iray mpiana-draharaha, afakomaly. Voalaza fa noraran’ny ray aman-dreniny tsy hanambady ny olon-tiany izy, raha ny fantatra. Nirefotra ny basy, rotiky ny bala ny vatan’ilay zandary mpiana-draharaha iray, afakomaly maraina. Nitifi-tena tamin’ny basy Kalachnikov teny aminy izy ary namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy. Nahitana […]
Tranga
Nafenina tanaty fitombenana: Thailandais iray nikasa hanondrana Rubis 59,3 g
Vato sarobidy (rubis) milanja 59,3 grama, tratra tao anaty fitombenana lehilahy thaïlandais iray, tetsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, afakomaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Saika hiondrana tamin’ny fiaramanidina ET852 ho any Addis-Abeba hizotra any Bangkok izy io saingy izao tratra izao. Nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anatin’ny vatany ambany ny zandary miasa […]
Ankadilalana : Mpanao Cash point voaroba 25 tapitrisa Ar
Olon-dratsy roa lahy nitam-piadiana nanambana basy ka nandroba vola an’ny mpanao Cash point teny Mahamasina Ankadilalana, ny marain’ny sabotsy 12 jolay tamin’ny 7 ora sy sasany. Hamonjy ny toeram-piasany ilay renim-pianakaviana sy ny vadiny. Niambozona ny sakaosy nisy ny vola mitetina 25 tapitrisa Ariary sy finday fampiasa ilay ramatoa. Nandrasan’ny […]
Fanondranana zavamaniry arovana: Teratany karana roa sy Malagasy iray voarohirohy
Niakatra fampanoavana, afakomaly, ny teratany karana roa sy Malagasy iray, ahina ho mpanao trafikana Harena voajanahary. Nahatratra karazana zavamaniry voarara miisa 40 izy ireo. Tratra nanao hosoka mahakasika ny fanondranana zavamaniry arovana tao amin’ny zaridaina iray etsy Ivoara, kaominina ambanivohitra Masindray ny teratany karana iray. Nanantanteraka fisavana teny amin’ny zaridaina […]
Toamasina : Mpanjono telo lahy tsy hita popoka
Efatr’andro aty aoriana, mpanjono telo lahy tsy hita popoka raha nanjono tany atsimon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsy azo an-telefaonina izy ireo ary efa lany vatsy ihany koa. Nianga teo amoron-dranomasin’i Toamasina, ny talata 9 jolay tamin’ny 9 ora maraina ny mpanjono telo lahy. Andeha hanjono mandritra ny alina amin’ny alalan’ny fintana sy […]




