Saron’ny polisin’ny UIR Tsaralalana teny 67 ha, afakomaly ireo jiolahy telo niaraka tamina vehivavy iray tompon’ antoka tamina fanendahana. Tokony ho tamin’ny 2 ora maraina tamin’io fotoana io, nifanehatra tamin’ireo polisy nanao fisafoana nivoaka avy anaty elakela-trano ireto jiolahy ireto. Lehilahy iray nitondra moto hamonjy fodiana no nosakanan’izy efatra mianadahy […]
Tranga
Ady lova tao Vatomandry: hanaovana famotorana indray i Jasmin
Mbola tsy afaka am-bavan’ny rehetra ilay vonoan’olona feno habibiana nitranga tao Vatomandry. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fikarohana ady heloka bevava eo anivon’ny polisim-pirenena Atsinanana, ny kaomisera Rajaobelina Herizo, taorian’ny fampidirana am-ponja ireo telo lahy namono nahafaty ilay renim-pianakaviana tao amin’ny fokontany Bemasoandro, ny alin’ny 4 febroary 2024 teo, tsy hijanona […]
Fanondranana harem-pirenena: Sokatra roa valizy sarona tetsy Tsarasaotra
Sokatra miisa 147 nokasaina hamidy nogiazan’ny zandary, teny Tsarasaotra, omaly. Ifampitadiavana ireo tompon’antoka. Zana-tsokatra miisa 147 azon’ny zandary teny Tsarasaotra, mihazo ny lalam-baovao mampitohy an’ Ivato, omaly maraina. Naharay loharanom-baovao avy tamin’ny tsara sitrapo ny zandary fa misy ny fikasana hivarotra sokatra teo amin’io toerana io. Nidina ifotony nanamarina ny […]
Miarinarivo : naiditra am-ponja ilay nanolan-jaza 16 taona
Notanana vonjimaika any am-ponja, ny lehilahy iray nanolana ankizivavy 16 taona, tao Miarinarivo, faritra Itasy, afakomaly. Naharay fitarainana ny polisy miasa ao an-toerana fa niharan’ny fanolanana nataon’io lehilahy io ny zazavavy iray, ny 23 febroary teo. Roa lahy, niditra an-keriny tao amin’ ny tokantrano fonenan’io ankizivavy io sy ny zokiny […]
RN4 : mpangalatra fiara voasambotra
Tra-tehaky ny mpitandro filaminana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 420+200, ny lehilahy iray sy ny fiara halatra, ny 22 febroary teo. Nentin’io mpamily io ny fiara nanomboka ny 21 febroary teo. Nitsena ny zanaky ny mpampiasa azy io lehilahy io ary tsy hita intsony taorian’izay. Tsy tratra antso, izy izay […]