Tranga

Nikapa famaky : Maty voatifitra ireo efa-dahy namono zandary

Namoy ny ainy avokoa ireo lehilahy miisa efatra namono zandary, tao Ambalarano, kaominina Fenoarivobe, afakomaly. Nataon’ny mpitandro filaminana hazalambo nanomboka ny alakamisy 26 jona teo ireo efa-dahy tompon’antoka namono nahafaty ny zandary mpiana-draharaha iray. Ni­tondra lehilahy nanindrona antsy olona hihazo ny birao io zandary mpiana-draharaha io. Tratran’ny tampoka izy rehefa […]

Fanolanana : Dimy lahy voasambotry ny polisy

Niara-niakatra fampanaovana, omaly, ireo dimy lahy nanao fanolanana faobe tao amin’ny fokontany Tsiafahy, kaominina Antsirabe. Vehivavy 25 taona avy nivarotra ka namonjy fodiana no nanamparan’ireo tsy mataho-tody ny filan-dratsiny sady norobainy, ny 25 jona teo. Nalain’ireo tsy valahara ny vola teny amin’io vehivavy io. Tsy vitan’ny nanolana, nanaovan’ireo mpanolana maloto […]

NIfandona tamin’ny kamiao : Vehivavy nentina tamin’ny moto namoy ny ainy

Nifandona ny fiarabe sy kodiaran-droa iray tetsy Andohatapenaka, omaly. Namoy ny ainy vokatry ny hamafin’ny dona nahazo azy ny tovovavy iray izay nentina tamin’ilay moto. Nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tetsy amin’ny Rond point Andohatapenaka, omaly tamin’ny 1 ora latsaka fahefany atoandro. Nifampi­kasoka tampoka tamin’ny Kamiao iray ny kodiaran-droa marika JBUBU […]

Mpirahalahy nifamaly: notapahan’ny zandriny ny lohan-jokiny

Tonga nitolo-batana tao amin’ny biraon’ny Zandary Antsiranana, omaly tamin’ny 11 ora sy sasany maraina, ny lehilahy iray (16 taona). Tompon’antoka tamin’ny famonoana nahafaty ny rahalahiny (24 taona) tany amin’ny fokontany Ambohimitsinjo, kaominina Diego-Suarez, Antsiranana ny alin’ ny 25 jona lasa teo. Niara-nisotrosotro tany amin’ny trano fisotroana iray tany Befotaka Avaratra […]

Nangorom-bolan’ireo mpivarotra: lehilahy mpisoloky voasambotra

Notanan’ny zandary ny lehilahy nisandoka andraikitra sady nisoloky volan’ny mpivarotra tao amin’ny fokontany Ambaniala, kaominina Am­bandrika, distrikan’Ambaton­drazaka, ny sabotsy 28 jona teo. Nitondra taratasy hosoka nanehoany fa mpiasan’ny sampan-draharaha momba ny hetra izy. Nasesiny notetezina ireo olon-tsotra tompon-tsena tao an-tanàna nanomboka ny zoma 27 jona. Nisy avy hatrany olona nanome […]