Tranga

Fieferana : mpianatra roa lahy nilatsaham-potaka

Zaza roa lahy niara-maty tao Fieferana, omaly. Nilatsaham-potaka tampoka izy roa lahy. Maty tsy tra-drano nilatsaham-potaka ny zaza roa 6 sy 8 taona tao amin’ny kaominina Fieferana, distrika Avaradrano, omaly. Niverina avy tany amin’ny trano famanizana ireo zaza ireo. Nivatravatra ny kotro-baratra tany amin’io kaomi­nina io, omaly. Nivoaka na­monjy ny […]

Andohalo : mpanendaka tratran’ny polisy

Nifanenjehan’ny polisy, voasambotra teny Andohalo, ny 24 febroary teo tamin’ny 4 ora tolakandro. Vehivavy iray nandalo no lasibatr’io tontakely io. Lasany ny findain’io mpandalo io. Niantso vonjy avy hatrany ity farany. Nahare ny zava-nisy, nanara-dia ilay mpanendaka ny polisy niasa tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny fanendahana. Tratra ilay lehilahy. Nalaina […]

Lycée Ankadikely Ilafy: mpianatra 10 vavy torana tao an-tsekoly

Ankizivavy am-polony niara-torana tampoka taorian’ny fananganan-tsaina nataon’izy ireo tetsy amin’ny Lycée Moderna Ankadikely Ilafy, omaly. Azon’ny tsy fahasalamana tampoka izy ireo. Fito vavy, mpianatra amin’ny taona faharoa no niaraka nihetsika tampoka ny aretiny. “Tratrin’ilay aretina Spasmophilie ny dimy tamin’ireo mpianatra ireo vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro”, hoy ny fanazavan’ny talen’ ny […]

Ady lova sy vono olona: Vehivavy nolerana antsy sy nozerana fanoto

Vokatry ny fitiavan-karena, nanaraman’ny anadahiny mpamono olona ny vehivavy iray. Nolerana antsy sy novelesina tamin’ny fanoto izy. 2 000 000 Ar no karaman’ny olon-dratsy. Renim-pianakaviana iray maty tsy tra-drano novonoin’ny anadahiny iray tampo aminy tao amin’ny fokontany Bemasoandro, ko­minina ambonivohitr’ i Vatomandry, ny 4 febroary teo. Hita faty tao an-tokantranony […]

Ambohijanaka: jiolahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Matin’ny daroka nataon’ny fokonolona nahasambotra azy ny jiolahy iray tratra teny Tsilazaina, kaominina Ambo­hijanaka, ny alin’ny zoma 23 febroary teo. Nanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’io fokontany io ny jiolahy miisa dimy. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo. Nifarimbona sy nifanome tanana ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana nanakana ny asa […]