Nosamborin’ny zandary ny lehilahy iray nanolana ny mpanampiny izay vao 16 taona, teny Ambohimangakely, ny sabotsy 13 avrily teo. Nahazo taratasy fitoriana avy tamin’ny fianakavian’io ankizivavy lasibatra io ny mpitandro filaminana. Voalaza tao anatin’io fitoriana io fa niharan’ny fanolanana nandritra ny herintaona sy tapany ny ankizivavy iray vao 16 taona. […]
Tranga
Voalaza ho nananton-tena: fatim-behivavy nahitana dian’antsy sy tsindrona
Nanambara ny mpitsabo fa maty namono tena ny vehivavy iray, hita faty nihantona teny Ambohibao. Nisy dian’antsy teo amin’ny tratrany, misy tsindrona seringue ny tanany. Vehivavy 38 taona hita faty tao an-tranony, tao amin’ny fokontany Antalamohitra, kaominina Antehiroka, distrika Ambohidratrimo, afakomaly. Naharay antso ny zandarimaria ao an-toerana ny maraina tamin’ny […]
Tena ilaina ny helikoptera : miady irery ny miaramila an-tanety
Amin’izao fotoana izao, efa hita taratra ny misy ny jiolahy rehetra ho mpanatanteraka ny fakana an-keriny ao Ankazobe. Azo lazaina fa efa voageja anaty faritra iray tsy ahafahana mivoaka izy ireo. Hatramin’ny olona miafina aty an-drenivohitra aza, tokony efa ho tratra. Olana anefa, tena sahirana ny ekipa mpanao hetsika fampandrian-tany […]
Toliara : jiolahy niditra an-keriny tao am-piangonana
Voasambotry ny polisin’ny Fip ao Toliara rehefa nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tao amina trano fiangonana iray ao Tsianaloka, ny sabotsy teo, ny jiolahy iray. Mbola tao anatin’ny fotoam-pivavahana ireo mpino ao amin’io fiangonana io no niditra tampoka ity jiolahy ity. Namoaka basy izy ka namantana teny amin’ny alitara nisy ilay […]
Nisera merkiora : pasitera nisoloky 70 tapitrisa Ariary
Pasitera iray eto Antananarivo no hiakatra fampanoavana, anio, noho ny aferana merkiora sy fisolokiana vola mitentina 70 tapitrisa Ar. Nitaraina tany amin’ny ambaratongan-drafitra, araka izany, ireo biraom-piangonana. Naato nandritra ny roa volana ilay pasitera, ny volana novambra sy desambra teo, saingy mbola niverina nampivavaka indray nanomboka ny volana janoary. Tsy […]