Mitohy ny famongorana ny mpanao ratsy. Jiolahy iray antsoina hoe i Koto, malaza amin’ny fanendahana sy fampiasana zava-maranitra, lavon’ny polisy tetsy Anosizato, afakomaly. Nirefodrefotra ny basy tetsy Anosizato Atsinanana, afakomaly hariva tamin’ny 7 ora sy sasany. Maty voatifitry ny polisy i Koto, jiolahy malaza amin’ny fanendahana sy fampiasana zava-maranitra eny […]
Tranga
Trafikana voamaso : Fito lahy voasambotry ny polisy
Voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Besavoa, afakomaly maraina, ny lehilahy fito, voarohirohy amin’ny fisolokiana sy fanaovana trafikana voamaso. Naharay angom-baovao tamin’olona tsara sitrapo ny Sampandraharaham-paritra misahana ny fanenjehana fandikan-dalàna Ihosy tamin’ ny 6 ora maraina fa misy andian’olona mandehandeha sy mivezivezy ao an-tampon-tanàn’Ihosy, hitady mpividy voamaso. Nidina ifotony nanao […]
Saika hanondrana volamena: Teratany indianina naiditra am-ponja
Natolotra ny fampanoavana, eny anivon’ny fitsarana Anosy, afakomaly, ilay teratany indianina saika hanondrana antsokosoko vovo-bolamena ho any Dubaï, ny 5 jona lasa teo. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny tenany taorian’ny valim-pitsarana. Nilanja 422,72 g ny ny harem-pirenena sarobidy teny aminy, saron’ny polisy misahana ny sisintany eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. […]
Avy nifoka zava-mahadomelina: Naiditra eny Tsiafahy ilay namono zaza 4 taona
Niakatra fampanoavana omaly, notanana vonjimaika any am-ponja, ilay lehilahy nanolana sady namono zazavavy tao Miarinarivo. Fidorohana rongony no nanosika azy hanolana. Naiditra vonjimaika eny Tsiafahy, omaly, ny lehilahy nanolana sady namono zazavavy vao 4 taona monja tao amin’ny kaominina Antoby Atsinanana, distrikan’i Miarinarivo. “Niaiky ny heloka vitany izy. Nanao ny […]
Rocade Iarivo : Lehilahy nitondra moto maty tsy tra-drano
Roa lahy nitaingina moto tra-doza teny Ravitoto, fokontany Ambatomaro, kaominina Ambatomainty, distrikan’Antananarivo V, ny alin’ny alatsinain’ny Pantekoty, tamin’ny 10 ora sy 50 minitra. Nitondra moto marika Kymco Racing, nandeha mafy avy any Amoronankona, nikasa hihazo ny fiolanana Ambohimahitsy ireo roa lahy. Nentin’ilay mpitondra mafy io kodiaran-droa io. Nidona tampoka tamin’ny […]




