Tovolahy iray 14 taona lasan’ny ranomasina teo amin’ny torapasika manoloana an’i Marina Beach, ao Toamasina, omaly atoandro. Niaraka nandro sy nilalao ranomasina izy sy ny namany omaly. Nia-niakatra anefa ny onjan-drano tamin’ny 2 ora sy sasany atoandro tany ho any, ka niha nilentika izy roa lahy ireo. Samy niezaka mafy […]
Tranga
Kamiaobe tapaka hisatra : Taxibe iray voafaoka, mpitaingina moto maty
Maty ny lehilahy mpitaingina moto iray, omaly. Voafaokan’ny kamiao be tapaka hisatra teny Alakamisy Ambohidratrimo izy. Taxibe iray koa voadoana, naratra ny mpanampy ny mpamily. Nitrangana lozam-pifampivoizana namoizana aina indray tetsy Alakamisy Ambohidratrimo, omaly hariva tokony tamin’ny 4 ora sy sasany. Niseho teo amin’ny lalana akaikin’ny tobin-tsolika Total Alakamisy Ambohidratrimo […]
Famonoana Karana : Voasambotra ireo dimy nahavanon-doza
Niakatra fampanoavana omaly ireo olona dimy voasambotra, voarohirohy tamin’ny famonoana karana, 67 taona, sy fandrobana tranombarotra tany amin’ny fokontany Manga – Mahajanga, ny 22 aogositra atoandro. Anisan’ny nahavanon-doza, namono nahafaty io karana tompon’ny tranom-barotra io, ny lehilahy mpitarika posy sady mpitatitra entam-barotra mivezivezy isan’andro eny an-toerana. Mpiasa ao amin’ilay karana […]
Mpandanja volamena : Tovolahy iray maty voatsatoka antsy
Hita nitsirara tamin’ny arabe, tao an-tampon-tanànan’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, disitrikan’i Maevatanàna, afakomaly tamin’ny 8 ora sy sasany maraina, ny tovolahy 23 taona, mpandanja volamena. Maty voatsatoka antsy izy raha ny fizahana ny razana. Nisy lehilahy telo nilaza ny handanja volamena taminy tamin’ny fotoana namelarany ny fitaovam-pandanjana volamena. Nitondra antsy teny […]
Kamiao mpitatitra entana nivadika : Zaza efatra niara-maty voatsindrin’ny vary
Niharan-doza sy nivadika ny kamiao mpitatitra entana iray tetsy Antakavana, disitrikan’Akazobe, ny zoma teo. Ankizy efatra mianadahy niara-maty voatsindrin’ny vary tamin’ny gony tao anaty fiara. Olona roa hafa naratra mafy. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Antakavana, distrikan’Ankazobe, ny zoma hariva tamin’ny 7 ora sasany hariva. Kamiao Mercedes Benz, mpitatitra […]





