Tranga

Nangalatra omby : Roa lahy rotiky ny bala

Nirefodrefotra ny basy ny alin’ny alatsinain’ny pantekoty, tokony tamin’ny 12 ora, hifoha omaly talata, tao amin’ny fokontany Ambalamanasy. Roa lahy nangalatra omby miisa roa. Nilanja antsy lavalela sy lefona teny an-tanany ireo olon-dratsy, raha ny fanazavan’ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra Toamasina, ny kapiteny Andriamasiarivelo Dinah Frederic. Tsy nihemotra ny zandary fa niezaka […]

CHU-JRA Ampefiloha : Efatra ny maty nandritra ny fetin’ny Pantekoty

Olona efatra namoy ny ainy nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Pantekoty lasa teo, raha ny tatitra voaray avy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, omaly. Matin’ny lozam-pifamoivoizana teo am-pitondrana moto ny roa tamin’izy ireo, raha ny tatitry ny polisim-pirenena. “Nihena io salanisa io raha oharina ny tamin’ny taon-dasa satria dimy izany ny […]

Talatamaty: Renim-pianakaviana maty voadonan’ny moto

Vehivavy 73 taona namoy ny ainy voadonan’ny moto tetsy Talatamaty, ny alahadin’ ny Pentekosta lasa teo, tamin’ny 7ora hariva. Niseho tetsy amin’ny RN4, PK 12+950 fo­kontany Mandriambero, kaominina Talatamaty ny loza. Moto notaingainan’olon-droa nandeha tamin’ny lalana ma­hitsy tany anaty tanàna Man­driambero izany ka izao nanao lozam-pifamoivoizana izao. Nifaoka mpandeha tongotra […]

Nanao voyage d’études : Tovovavy mpianatry ny lycée namoy ny ainy

Tovovavy 17 taona tamin’ireo mpianatra avy etsy Sabotsy Namehana nikasa hanao voyage d’études, namoy ny ainy teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, omaly. Nisy naratra ireo namany. Tra-doza ny fiara nitondra mpianatra ka niteraka fahafatesan’olona iray teny amin’ny RN2, PK 89 +500, teo amin’ny fokontany Ankarefo, kaominina Anosibe Ifody, distrikan’i Moramanga, omaly. […]