Tranga

Gadra nandositra : roa lahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Jiolahy roa no matin’ny fitsaram-bahoaka tao Mandritsara, omaly. Gadra nandositra izy ireo ary mbola nanohy ny asa ratsiny indray izao tratra izao. Nodarodarohan’ny fokonolona, namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy ireo roa lahy nangalatra om­by tao amin’ny fokontany Ambalantsotry, kaominina am­ba­­nivohitra Ambodiamon­tana Kiangara, distrikan’i Mandri­tsa­ra, omaly. Naharay fampahafantarana […]

Ady tao anaty karaoké : tovolahy iray naratra voavelin’ny tavoahangy

Voatery nozairina mihitsy ny lohan’ilay tovolahy novelesina andian-jatovo tamin’ny tavoahangy teo amin’ny lohany tao Salazamay Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Tovolahy fantatra eo amin’ny sehatry ny fanaovana fanatanjahantena ao an-toerana ity niharam-boina ity. Tratran’ny ady tambabe izy tao amina trano fisotroana malaza iray akaikin’ny hopitaly manara-penitra. Niara-nisotrosotro tamin’ny sakaizany ity […]

Mahazoarivo: May ny caserne militaire EP1

Nitrangana haintrano mahatsiravina teny Mahazoarivo, omaly tolakandro. Nirehitra ny caserne militaire EP1 eny an-toerana, lalana mankany amin’ny Primatiora. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina nifehy ny afo. Nanomboka tamin’ny 4 ora mahery teo ny firehetana ary tsy maty izany raha tsy tamin’ny 5 ora tany ho any. Tsy niala teny […]

Fanafihana tamin’ny kalach : tompon-trano maty novonoin’ ny jiolahy

Nopitsohin’ny jiolahy miisa 12 ny tokantrano iray ao amin’ny kaominina Mahavelona, distrikan’Ankazobe. Maty voatifitra ny lehilahy iray, nisy vaviantitra hafa naratra. Maty voatifitra teo amin’ ny tratrany ny raim-pianakaviana iray, 34 taona, monina ao amin’ny fokontany Anjezika, kaominina Mahavelona, distrika An­ka­zobe. Namoy ny ainy vokatry ny tifitr’ireo olon-dratsy izy, ny […]

Minisitry ny Foloalindahy: « Tsy maintsy tratrarina ny tanjona napetraka”

Nahitsy ny hafatra nomen’ ny minisitry ny Foloalindahy (MFA) Sahivelo Monja Lala Delphin amin’ireo miaramila eo ambany fifehezany, nandritra ny lanonana roa sosona notanterahina teny Ivato. Teo ny nandraisan’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety vaovao ny fibaikoana, ny Jly Rakotoson Jocelyn sy ny famindram-pibaikoana teo amin’ny lehiben’ny Etama­zaoron’ny Tafika ana habakabaka, […]