Tranga

Nobatan’ireo tsy mataho-tody tao an-tranony: Zazavavy 6 taona maty nisy nanolana

Hita faty nobiridina tany an-tanimbary tany Ambohima­hasoa omaly maraina tamin’ny 6 ora maraina ny vatana mangatsiakan’ny zazavavy kely vao enin-taona monja. Maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, naholana ary notsimondrin’ireo olon-dratsy tamin’ny antsy izy io. Tsy hita tao am-pandriana niaraka tamin’ny mpiray tampoho taminy izy afakomaly tamin’ny 11 ora […]

Lozam-pifamoivoizana tanaty roa herinandro : Olona dimy maty, 36 naratra

Miseo lany ny lozam-pifamoivoizana teto Antananarivo Renivohitra, tao anatin’ny roa herinandro. Olona dimy namoy ny ainy. Tranga lozam-pifamoivoizana maherin’ny 35 niseho teto Antana­narivo Renivohitra nanomboka ny 24 marsa hatramin’ny omaly. “27 tamin’ireo nitranga nandritra ny 24 marsa hatramin’ny 30 marsa teo”, araky ny tatitry ny polisim-pirenena. Namoizan’aina olona roa ireo […]

Tsy hanaiky ny fianakaviany: Lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Hitondra ny raharaha eny anivon’ny tomponandraiki-panjakana mahefa ny fianakavian’ny ilay lehilahy 22 taona maty vokatry ny fitsaram-bahoaka, ny harivan’ny talata 01 avrily teo, tamin’ny 6 ora. Naka laza adina andrana ta­min’ny namany tao Mangari­votra io tovolahy mbola mpianatra io tamin’ny fotoana voalaza. Nitrangana asa fanendahana tampoka tao an-toerana. Niantso vonjy […]

Toamasina II : Rongony 250 kg sarona, olona dimy tratra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana any Toamasina ny velaran-tany mirefy 10 hekitara nahitana rongony 10 000 fototra maniry miaraka amin’ny vary, tany amin’ny kaominina ambanivohitra Andranombolaha sy Ambalarondra, disitrikan’ i Toamasina faharoa. Nosavaina ihany koa ny tranon’ireo tompona tanimbary teny an-toerana ka nahitana rongony efa maina milanja 250 kilao. Olona dimy voarohirohy […]