Nifanojo tamin’ny zandary nanao fisafoana, lavon’ny bala ny dahalo 11, tao an-tampon-tananan’ Andimaky – Manambolo, Kominina io ihany, distrika Belo-Tsiribihina, ny faran’ny volana avrily teo. Nikasa handrava tranombarotra tao amin’io tanàna io ny dahalo 30 lahy, ny alin’ny 27 avrily. Nitondra fitaovam-piadiana, nampihorohoro ireo manodidina izy ireo. Nanapoaka basy avy […]
Tranga
Nidoboka am-ponja eny Antanimora : inspektera sandoka tratra teo am-pangalarana moto
Naiditra am-ponja vonjimaika omaly, ireo roa lahy nangalatra moto tetsy Ampasika. Naka taxi-moto, niala teo Antanimena ka hihazo eny Ampitatafika ny mpisoloky iray. Nitonontena ho inspektera io lehilahy io. Matahotra entina moto anefa izy, raha ny nambarany tamin’ilay tompona moto ka nangataka hitondra izany. Maim-bola, nanaiky ilay tompona taxi-moto ka […]
Itaosy…: tratra ireo jiolahy mpaka an-keriny
Tsy nahomby ny fikasan-dratsin’ireto jiolahy nanao fakana an-keriny teny Andranonahoatra Itaosy, afakomaly. Olona roa indray tratra (vehivavy sy lehilahy) raha mbola eo am-pikarohana ny roa lahy hafa kosa ny zandary. Mpiasa tao an-tranon’ny ray aman-drenin’ilay nalaina an-keriny ihany ireto nahavanon-doza ireto. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny kaomandin’ ny borigadin’Itaosy, amin’ny […]
Tanaty tranon’afokasoka… : tovolahy tratra nitondra héroïne
Mahita hirika foana ! Hatolotra ny fampanoavana, aorian’ny famotorana azy, ity lehilay iray tratra nitondra héroïne teny amin’ny Lakandranon’Andriantany Antohomadinika, omaly ity. Ny polisy avy ao amin’ny poste avancé Ilanivato no nahasambotra azy. Voarohirohy ho mpivarotra sy mpanao trafikana zava-mahadomelina “héroïne” izy. Tsikaritr’ireo polisy manao fanamiana sivily manao ny asa teny […]
Ampahateza – Ambohipo : telo lahy hita tao anaty sahan-drongony
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahefatra (CSP2), Ambohijatovo Ambony, teny Ampahateza/Ambohipo, omaly tamin’ny 8 ora maraina, ny jiolahy efatra voarohirohy ho mamboly sy midoroka ary mivarotra zava-mahadomelina. Nahazo loharanom-baovao ny polisy miandraikitra iny faritra iny fa misy olona mamboly zava-mahadomelina eny amin’iny faritra Ampahateza iny. Nidina teny […]