Tranga

Ankatoky ny fetin’ny Paka : lehilahy hita faty natsingevan’ny ranomasina

Fatin-dehilahy iray 40 taona no natsingevan’ny ranomasina ny alahady teo manamorona ny tetezan’ny Ho­pitalibe Toamasina. Tsy fantatra mazava ny nahafaty ity niharam-boina ity. Tsy nahitana faritra mangana na maratra ny vatany nandritra ny fizahana nataon’ny BMH. Tsy nisy akanjo intsony kosa teny aminy. Tombanana ho nilomanano tany ho any izy […]

Lazain-drangahy fa tsy zanany : novonoin-dreniny ary natsipiny tao anaty tatatra ilay zaza

Zazalahikely vao herintaona monja no hita faty tao anaty tatatra tao Antanamandroso Moramanga, afakomaly. Voatondro ho namono azy ny ray aman-dreniny rehefa tsy nanaiky io zaza io ny lehilahy vadin’ilay renim-pianakaviana. Hiakatra fampanoavana izy mivady. Habibiana mahatsiravina! Tsy nampoizina ny zava-bitan’ilay renim-pianakaviana 30 taona sy ny vadiny tao Moramanga. No­vo­noina […]

Ambatomirahavavy: lehilahy nahatrarana entana halatra

Saron’ny mpitandro filaminana teny amina lehilahy iray ny entana halatra toy ny zavamaneno roa , vatoaratra, niampy fitaratra fiton’ireny fiara sprinter ireny tetsy Ambatomira­hava­vy, ny alin’ny alakamisy teo. Nanao fisafoana amin’ny alina, nifanehatra tampoka tamin’ny zandary ny telo lahy samy nitondra entana teny aminy. Nirifatra nandositra avy hatrany izy ireo […]

Soavinandriana : dahalo iray voafira antsy, omby 11 tafaverina

Tsy namelan’ny fokonolona sy ny zandary, avotra soa aman-tsara ireo omby miisa 11 nalain’ny dahalo tao Amparihimanga, kaominina Mananasy, anatin’ny distrikan’i Soavinandriana, ny zoma 24 marsa teo. Nen­tin’ny dahalo nitrongo fitaovam-piadiana ireo omby ireo tamin’io. Nirifatra nandositra ny olon-dratsy niaraka tamin’ireo omby. Nanao fa­narahan-dia avy hatrany ny fokonolona. Nanampy azy […]

Famonoana mpiandry: jiolahy iray lavo iray hafa azo velona

Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha namonoana ilay renim-pianakaviana sady mpiandry ao amin’ny FLM Soatanana fokontany Ambohitrevo, kaominina Tovona, distrika Farafanga­na, herinandro lasa izay. Ny alakamisy teo, voasambotra taorian’ny velam-pandrika nataon’ny zandary mpanao famotorana ny roa lahy ahina ho nahavanon-doza. Fantatra amin’ny anarana Medy sy Olo ireo jiolahy tratra. […]