Tranga

Naniratsira mpitsara : lehilahy iray naiditra am-ponja eny Antanimora

Tsy faly tamin’ny didim-pitsarana ka narahin’ny lehilahy tany anaty birao no mbola notevatevaina ny mpitsara mpamoaka didy.Vokany, nosamborina sy nogadraina koa izy. Tsy nanaiky ny didim-pitsarana, voatazona am-ponja omaly, ny lehilahy iray voatondro ho namingavinga mpitsara tetsy Anosy. Ny herinandro lasa teo, nivoaka ny didy momba ny raharaham-panolanana iray. Nalefa […]

Vontovorona : mpianatra mianadahy voasambotra

Mihamafy ny fifandonan’ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana eny amin’ny Poli­tek­nika Vontovorona. Omaly, niditra tany anatin’ny faritry ny oniversite ny mpitandro filaminana nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso. Ni­laza ny mpianatra fa nisy vehivavy naman’izy ireo no­darohan’ny mpitandro filaminana. Mpianatra telo hafa nosamborina. Nanamafy kosa ny zandary ao an-toerana fa mpianatra mianadahy anisan’ireo […]

Kaominina Befotaka : dahalo iray maty, omby 41 tafaverina

Ravan’ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ireo kalony ny halatr’omby nataona andian-jiolahy tao An­kapilaboara, fokontany Ilaza, kaominina Befotaka , ny alakamisy 16 marsa teo. Nirongo fitaovam-piadiana, miisa 32 ireo dahalo nanao fanafihana. Voaroba ny omby 55 ka nirifatra nandositra izy ireo. Nampandre ny zandary eny an-kianja avy hatrany ny ben’ny Tanàna ao an-toerana. […]

Ambohimanarina: mpamongady rongony nahatrarana 201 kg

Mamatsy rongony an’ Antananarivo ! Noraisim-potsiny ny olona dimy niaraka tamin’ny rongony 201 kg tetsy Ambohimiadana Am­bohi­manarina, afakomaly. Na­haray vaovao avy amin’ny tsara sitrapo, nanao ny fanadihadiana nahafahana namongotra ity tambazotra mpivarotra rongony ity, ny eo anivon’ ny zandary. Voamarina fa misy mpivarotra rongony ikoizana tokoa ao amin’io toerana voalaza io. Nahazo […]

Miarinarivo : voafonja miasa manatsara tanàna

Miara-mientana amin’ny fampandrosoana ny tanàna ireo voafonja ao Miarinarivo. Mandray anjara mivantana amin’ny alalan’ny fanamboarana ny lalana « pavé » izy ireo. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ireo tomponandraikitra ao an-toerana toy ny Governora Maherizo Andria­manana, ny DREFTP Itasy, ny kaomisarian’ny polisy Miari­na­rivo, ny ben’ny Tanànan’i Miarinarivo ary ny fandraharahana ny fonja. Miasa […]