Tranga

Itaosy : lehilahy tratra namboly rongony

Tratran’ny polisy teny Ambolotara Itaosy, ny sabo­tsy teo, ny lehilahy iray voarohirohy ho mpanao trafi­kana zava-mahadomelina. Mamboly sady mivarotra izy. Nanao hetsika manokana ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Itaosy noho ny firongatry ny zava-mahadomelina eny an-toerana. Nisy paikady nataon’ny polisy tamin’ny alalan’ireo nanao fanamiana sivily. Lehilahy iray no voasambotra tao […]

Ambodivona Ankadifotsy : mpanendaka roa lahy nitondra antsy maty voatifitra

Nirefodrefotra ny basy tetsy Ambodivona, omaly. Lavon’ny polisim-pirenena ny jiolahy roa lahy mpanendaka, anisan’ireo mampitondra faisana ny mpiara-belona eny an-toerana. Maro ny lasibatrin’ ireto mpanendaka ireto ary mampikaikaika ny maro ny asa ratsiny. Tao ny very entana, nisy koa ny naratra sy namoy ny ainy. Maro ihany koa ny fitarainana […]

Efa nahazo vola 5 tapitrisa Ar … : tratran’ny polisin’ny BC ireo mpisoloky cash point

Voasambotry ny polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika voalohany (BC1) Anosy teny Ambondrona ireo telo mianadahy (vehivavy roa sy lehilahy iray) malaza ratsy amin’ny fisolokiana avolenta. Raha ny tatitra nampitain’ny BC1, ny 11 febroary 2023 lasa teo, cash point iray voasolokina vehivavy roa teny Beho­ririka. Mizara ireo vehivavy roa […]

Nambanana antsy : mpivady voaroba ny vola 4 hetsy

Niakatra fampanoavana omaly, notanana am-ponja von­jimaika miandry ny di­dim-pitsarana azy ny lehilahy iray. Voatondro ho nandroba mpivady efa samy misotra ronono, tetsy Ampandrana izy. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray. Nan­droba vola mitetina 4 hetsy, ny alahady 12 marsa lasa teo. “Sendra nivoaka hifoaka sigara teto an-tokontany aho ny maraina. […]

Ambohitrevo Soatanana : vehivavy mpiandry iray maty voatifitra

Nipoaka ny basy tao Soa­tanana, fokontany Ambohi­trevo, kaominina Tobona, distrika Farafangana. Nitrangana fanafihana mitam-piadina tao amina tokantranona renim-pianakaviana sady mpiandry ny Fiangonana Loterana Ma­lagasy (FLM) tao an-toerana, ny sabotsy 18 marsa tokony ho tamin’ny 9 ora alina. Niditra an-keriny tao an-tranony ny jiolahy telo lahy nirongo basy. Nitady azy ka […]