Tsy mandry andro sy alina ny polisy avy eo amin’ny Compagnie Urbaine d’Intervention izay sampana anivon’ ny Commissariat Central etsy Bazary ary ambany fibaikoan’ny Commissaire central, Rakotondrainivonona Panoel Tsiky, izay vao nandray ny asany telo volana lasa izay. « Tsy maha olom-baovao ny fametrahana fandriampahalemana ho an’ny vahoaka », hoy izy. Vokany, […]
Tranga
Fanaovana pasipaoro : mpisoloky telo voasambotra teo Anosy
Hentitra ny fanaraha-maso ny olona manamboatra pasipaoro, nanomboka omaly, ao Anosy. Manararaotra ny mpisoloky noho ny fahamaroan’ny olona. Miisa telo sahady ireo voasambotry ny polisy omaly, rehefa nisoloky olona milaza ho mahavita pasipaoro. Natao fanadihadiana izy ireo ary hiakatra fampanoavana aorian’izay. Raha tsiahivina, niverina amin’ny laoniny, nanomboka omaly ny fanamboarana […]
Ambolomadinika : jiolahy tratra teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy
Voasambotry ny polisy miasa ao Toamasina, afakomaly maraina ny jiolahy raindahiny niaraka tamin’ny antsy. Voarohirohy ho mpanao herisetra sy halatra ao Ambolomadinika ity jiolahy ity. Nanamafy ny polisy fa mitohy hatrany ny asa famongorana ireo olon-dratsy mampitaraina ny vahoaka ao Toamasina. Nahitam-bokany izany satria tratra nanao ny asa ratsiny vao […]
Faravohitra : tratra ambodiomby Ra-Gista mpamaky trano
Voasambotry ny zandary mpanao fisafoana, omaly, teny Faravohitra, Ra-Gista. Mpamaky trano gagilahy sady mampikaikaika ny mponina eny amin’ny manodidina izy. Omaly, nisy nahita teo am-panaovana ny asa ratsiny ny lehilahy. Nampandrenesina avy hatrany ny zandary ka tonga tsy nisy hatak’andro. Vokany, tratra ambodiomby ilay jiolahy ka dia noraisim-potsiny. Taorian’io, natolotra […]
Isan’ireo mampitondra faisana : dahalo roa lahy lavon’ny zandarimaria
Maty voatifitry ny zandarimariam-pirenena avy ao Ambatolampy, ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana any an-toerana. Ny zoma teo, nahazo loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa mikasa hanao ny asa ratsiny ireo jiolahy. Araka izany, napetraka ny vela-pandrika rehetra. Niambina ny kizo mety ho lalan’ny olon-dratsy ny zandary. Tokony ho tamin’ny 6 ora […]




