Tranga

Lehilahy voasambotra : saika hividy ordinatera tamin’ny vola sandoka

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro teny Behoririka, afakomaly, ny lehilahy iray nitondra vola sandoka. Raha ny fanazavan’ny polisy, ny 18 marsa lasa teo, tonga tao amina tranombarotra iray eo Behoririka ity lehilahy ity fa hividy ordinatera. Nijery ilay ordinatera izy ka tapa-kevitra fa hividy […]

Mpanondrana Olona: 15 mianadahy naiditra am-ponja ao Antsiranana

Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’Antsiranana ireo olona 15 vosaringotra tamin’ilay fanondranana olona antsokosoko tatsy amin’ny nosy Mayotte. Olona efatra hafa nahazo fahafahana vonjimaika. Niakatra fampanoavana nanomboka afakomaly ny olona 19 voarohirohy tamin’ilay sambo rendrika nitondra mpiondrana antsokosoko saika ho atsy amin’ny nosy Mayotte, andro vitsy lasa izay. Nitohy hatramin’ny […]

Tsy fandriampahalemana: mirongatra ny asan-dahalo any Menabe

Tsy milamina ! Miron­gatra ny asan-dahalo mampijaly sy mampitoreo ny mponina any Menabe. Anisan’izany ny na­hafatesana zandary iray tany amin’ny kaominina Be­fasy, Morondava raha ny tapany atsimo. Mavaivay koa ny tsy fandriampahalemana ho an’ny any avaratra. Nisehoana « Kid­napping » ny herinandro teo, tao amin’ny kaominina Tsara­hotana, Belo Tsiribihina. Na­laina an-keriny ireo […]

Fanafihana tokantrano nisy fahoriana : jiolahy roa lahy maty voatsatok’antsy

Nikorontana ny fiarahamonina tao amin’ny fokontany Tambohomandrevo-Fianaran­tsoa, omaly hariva. Nanafika tokantrano iray tra-pahoriana ny jiolahy roa lahy nirongo zava-maranitra tokony ho tamin’ny 4 ora sy fahefana teo. Niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ireo mpanafika ka nikendry ireo fao-dranomaso an’ireto tompom-pa­horiana. Nanohitra anefa ny fokonolona. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa […]

12 andro aty aoriana… : hita ihany ny fatin’i Sefo Sedrick Nantenaina

Efa 12 andro aty aoriana, hita ihany ny vatana mangatsiakan’i Sefo Sedrick Nan­te­naina rehefa nanaovana tagnamaro ny fikarohana azy. Ny 8 marsa 2023 lasa teo izy no tra-doza rehefa niampita radier nihazo an’Ivohibe, niaraka tamin’ny lehiben’ny distrikan’ Ivohibe. Nisy ny fifanomezan-tanana teo amin’ny zandary sy ny fokonolona tamin’ny fikarohana ny […]