Tsiponin’ny dahalo tsikelikely! Maty voatifitry ny dahalo ny miaramila Kilasy faharoa, Duray, miasa ao amin’ ny compagnie d’infanterie 505 Ankazoabo, ny alakamisy lasa teo. Nitrangana halatra omby tany an-toerana ka nanara-dia ireo malaso ny zandary sy miaramila. Raikitra ny fifandonana teo amin’ ny mpanara-dia sy ireo dahalo tao amin’ny kizon’ […]
Tranga
Nogiazan’ny zandary: roa lahy nahatrarana rongony 287 kilao
Sendra ny mpitandro filaminana nanao fisafoana, noraisim-potsiny ny roa lahy nitondra rongony tamina gony maromaro tao Akiembe, seranan-dakana iray ao Toliara, ny talata lasa teo. Notanterina avy any amin’ny fokontany iray atao hoe Lanevato ireto rongony ireto. Efa nisy olona voatondro handray izany rehefa tonga tao Akiembe kinanjo tra-tehaka ireto […]
Halatra zaza varira : avotra i Olivette, roa lahy voasambotra
Avotra teny amin’ireo olon-dratsy i Olivette, zazavavikely varira natao takalon’aina tao Ambalateza, kaominina Manantenina, faritra Anosy. Nalaina an-keriny ny 10 febroary , avy eo tsy hita popoka intsony. Nisokatra taorian’izay ny famotorana. Fantatra fa nisy olona roa mivezivezy tao Taolagnaro mitady mpividy zaza varira. Natao ny vela-pandrika, tratra tao amin’ny […]
Betania Morondava : taolam-paty 66 hita tao anaty valan’osy
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Morondava ireo olona efatra avy namaky fasana tao amin’ny fokontany Betania Morondava, omaly. Nahazo loharanom-baovao ny zandary momba ny fisian’ireto efa-dahy mitazona taolam-paty marobe ao an-tranony ireto. Nidina teny an-toerana ny zandary ka taolam-paty 66 nafenina tao amina valan’osy an’ny lehilahy iray. Nosamborina […]
Vono olona : ben’ny Tanàna lefitra voatifitra teny ambony moto
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Namoy ny ainy taorian’ny tifitra nahazo azy ny lefitra faharoan’ ny ben’ny Tanàn’ Ambovombe Androy, i Mananandro Jean. Afakomaly hariva, nifanehatra tamin’ireo olondratsy izy raha iny avy niasa hamonjy fodiana iny. Nandeha moto ity raim-pianakaviana ity.Voatifitra tampoka izy nony tonga teo amin’ny fokontany Ankaramena ka nienjera […]




