Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny hery vonjitaitran’ny polisim-pirenena (FIP) teo amin’ny lalamby Ampefiloha, afakomaly ny jiolahy raindahiny iray mpanao sinto-mahery. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy tamin’io fotoana io no nahitan’izy ireo vehivay iray niantso vonjeo fa nisy nisintona ny findainy. Raha ny nisy teny an-toerana, lehilahy iray monina tsy […]
Tranga
Ambalamanasy : ady tany niafara tamin’ny fifandonana, nandratrana olona
Raikitra indray ny fifandonana tao Ambalamanasy Toamasina, ny alahady maraina teo, momba ny raharaha ady tany miseholany any an-toerana. Voalaza fa tsy misy fiafarany mihitsy ny raharaha ady tany ao Toamasina. Tsy misy fanapahan-kevitra matotra raisin’ny lehiben’ny distrikan’i Toamasina II sy ny prefet ary ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina II, […]
Namono vady : noleran-drangahy antsy ny kibony avy eo
Disadisa tonga hatramin’ny vono olona. Raim-pianakaviana iray namono tena rehefa avy nifamaly sy namono an-dramatoa vadiny omaly, tany Andapa. Tranga mampalahelo. Niteraka resabe teo anivon’ny fiarahamonina ilay tranga niseho tao Ambodifamba, distrikan’Andapa. Raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona no namono tena rehefa avy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny vadiny. […]
Tsy tiana handova : nasain’izy mivady novonoina ny vinanto sy ny zafikelin’izy ireo
Naiditra am-ponja vonjimaika ny alakamisy teo ny rafozan’ilay ramatoa talen-tsekoly novonoina niaraka tamin-janany, tao Antanimena, kaominina Manakambahiny Andrefana, distrikan’Ambatondrazaka. Voasambotra ny herinandro lasa teo ny vavy antitra iray 66 taona sy rangahy vadiny 70 taona. Ahina ho atidoha nikotrika ilay vono olona izy ireo. Taorian’ny famotorana lalina nataon’ny zandarimaria, tratra […]
Ambohimiandra : maty voatifitry ny zandary i Betsy sy Solofobe
Nikononkonona fanafihana, ravan’ny zandary ka maty ny roa tamin’ireo jiolahy tao Ambohimiandra, ny alakamisy 16 marsa teo. Nikaon-doha tao anaty trano kely anatin’io tanàna io, tsikaritry ny fokonolona io fikambanan-jiolahy io. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny olona tsara sitrapo. Nidina ifotony ny zandary. Niparitaka nandositra ireo jiolahy. Vaky […]




