Lavon’ny mpitandro filaminana nandritra ny fifanenjehana ny jiolahy raindahiny “Ledany” tao Tsarahonenana Sahanivotry, Antsirabe II, afakomaly. Niantso ny zandary ny fokonolona fa mirenireny ao an-tanàna io jiolahy io. Nanao vela-pandrika, nifandrimbona ny andrimasom-pokonolona. Efa voasambotra nirifatra nankany anaty ala i Ledany. Nampitandrina azy in-telo nisesy ny mpanara-dia. Vokany, nitifitra ny […]
Tranga
Ankadindratombo : telo lahy nivarotra omby halatra voasambotra
Noraisim-potsiny ireo jiolahy telo nangalatr’omby tao Ambatomitsangana, Kaominina ambanivohitra Ambatofahavalo, omaly.Nandositra rehefa avy nangalatra ny omby vositra tao amin’io fokontany io ireto jiolahy ireto. Nampandre ny mpitandro filaminana ny lasibatra. Nanao ny fanadihadiana ireo tomponandraikitra. Sarona tetsy Ankadindratombo niaraka tamin’ny olona nividy azy io omby halatra io. Rehefa natao ny […]
Fanodinkodinana zaza : teratany karana iray naiditra am-ponja
Nidoboka am-ponja vonjimaika ilay teratany karana voalaza ho nanodinkodina zaza tamina fiangonana iray etsy Andavamamba. Niatrika mpitsara mpanao famotorana ilay lehilahy teratany karana nampiresaka ireo telo mirahavavy tamina fiangonana iray etsy Andavamamba, ny alahady teo. Tapaka taorian’izay fa alefa any am-ponja izy miandry ny fotoam-pitsarana. Tsiahivina fa nahoraka tao anaty […]
Nanondraka rano mangotraka ny vadiny : voasazy herintaona an-tranomaizana ilay lehilahy
Nivoaka omaly ny didim-pitsarana an’ilay lehilahy nikasi-tanana sady nanondraka rano mangotraka ny vadiny tetsy Ambohimiandra, ny volana feboary teo. Sazy mihatra herintaona an-tranomaizina. Nivoaka omaly ny didim-pitsarana ho an’ilay lehilahy nanondraka rano mangotraka sady nikasi-tanana ny vadiny, nitaiza kely. Raha tsiahivina, may ny hodi-tava hatramin’ny faritry ny kibony, io no […]
Fivadiham-pitokisana : mpisoloky valo mianadahy voasambotra
Nivadi-pitokisana sady nisoloky vola antapitrisany an’ny mpandraharaha, voasambotry ny mpitandro filaminana teto an-dRenivohitra ny valo mianadahy voasaringotra tamin’io raharaha io, ny 13 marsa lasa teo. Nividy vary tamin’ny orinasa mpandraharaha iray ao Toamasina ireto olona valo ireto, ny taon-dasa teo. Araka ny fifanarahany tamin’ilay teratany karana tompon’ny entana, naka entana […]




