Tranga

Fikambanana Daholo : manampy ny tanora hanana asa

Nikarakara hetsika “Fo­rum des métiers” ny fikambanana Daholo, ny zoma lasa teo. Natao tetsy amin’ny Ly­cée privée Fanavotana Antsa­lovana 67ha. Tanjona ny ham­piofana ny tanora eo amin’ny tontolon’ny asa. Misedra ola­na ny tanora malagasy amin’ny fitadiavana asa manerana ny Nosy. Sakana ny tsy fananan’ireo ankizy vao nahavita fianarana fahaiza-manao eo […]

Tafaporitsaka ny telo… : tratra ny iray tamin’ireo jiolahy nangalatra vy

Voasambotry ny polisy mi­a­­sa ao amin’ny kaomisaria fo­i­be Toamasina, omaly ta­min’ny 1 ora sy 30 mn maraina, tao An­jo­ma ny iray tamin’ireo jiolahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra vy (fer 10). Na­ha­ray antso ny polisy fa misy andian-jiolahy tafiditra ao an-tokotaniny man­galatra vy 50 isa. Na­monjy ilay toerana misy ireto […]

Nanararaotra amboTeazy : jiolahy roa tratra nanendaka

Tratra ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny ireo mpanendaka roa lahy te­ny Anosizato. Ny sabotsy ma­­raina teo, nanararaotra ny fitohanan’ny fiara ireto olon-dratsy ka nanendaka olona izay tratrany. Nahatsikaritra iza­ny ilay polisy nanao fanamiana sivily tsy lavitra teo. Vokany, noraisim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny izy roa lahy ka voasambotra […]

Variana nifandamina… : notrongisin’ny Mazda avy aoriana ilay moto sy taxi

Andro miditra ! Ni­tran­gana lozam-pifamoivoizana nandratra olona teny An­ko­rondrano, omaly tamin’ny 4 ora maraina teo. Moto iray sy taxi no nifandona teo amin’ity toerana ity. Mafy ny fifandonana satria samy nahitana fahasimbana na ilay taxi na ilay moto. Mbola nifandamina sy nifanazava momba izany ny mpamilin’ilay taxi sy ilay mpitondra […]