Saron’ny polisy tao amin’ny ANS Ampefiloha, omaly, ireo tovolahy nangalatra entana mpianatra. Tsy miasa izy roa lahy. Tsy ampy taona ny iray. Naharay antso avy tamin’ny fibaikoana ny hery vonjy taitran’ny polisy ny kaomisaria ao amin’ny boriborintany fahefatra. Voalaza tamin’izay ireo entana mpianatra very. Nisokatra tamin’izay ny famotorana. Nandefa polisy […]
Tranga
Olona roa namoy ny ainy : mirongatra ny lozam-pifamoivoizana ao Toamasina
Tao anatin’ny 48 ora, olona roa namoy ny ainy vokatry ny lozam-piarakodia tao Toamasina. Mila fitandremana ! Tra-doza ny fiara tsy mataho-dalana iray, afakomaly hariva. Nitondra olona roa, avy nisotrosotra teny amoron-dranomasina izy ity. Voalaza ho niteraka ny loza ny hamamoana. Tsy voafehin’ilay raim-pianakaviana nitondra ny fiara ny familina. Vokany, […]
Anjozorobe : dahalo telo lahy mpangalatr’omby lavo
Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana tao amin’ny fokontany Beanana, kaominina Androvakely, distrikan’ Anjozorobe ireo malaso telo lahy nangalatr’omby. Nanao ity asa ratsiny ity tao Antanimenakely, fokontany Ambohitsaratany, ny alahady teo ireto dahalo. Tsy nipetra-potsiny manoloana izany ny zandarimaria avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Imerina centrale. Raikitra ny fanarahan-dia sy […]
Anosibe : mpanao trano handeha hiasa voaendaka
Mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahelamana eny Anosibe sy ny manodidina raha tsy hilaza afa-tsy ny eny Mandrangobato I. Raim-pianakaviana iray handeha hiasa vao maraina no nendahin’ny jiolahy omaly teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be eo Mandrangobato I. Tsy vitan’izay fa voatsatoka antsy teo amin’ny kibony izy tamin’io fotoana io. Voalaza fa mpanao […]
Ambohidratrimo : jiolahy efatra voasambotra
Efa-dahy mpangalatra akoho amam-borona tra-tehaky ny zandary nanao fisafoana ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 1 marsa teo. Nisy nampandre ny mpitandro filaminana fa misy olona misokitra ny trano ao amin’ny fokontany Fiakarana, kaominina Anosiala. Teo am-panantontosana ny fisafoana, namaly avy hatrany ny antson’ireo lasibatra ny zandary. Tonga teo an-toerana, […]




