Tratran’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra , ny faran’ny herinandro teo, ny lehilahy iray voarohirohy ho namboly rongony 49 fototra tao an-tanànan’Ambodivona Ambatolokanga, kaominina ambanivohitr’i Tsiafahy. Ankoatra ireo rongony tratra teny am-potony, mbola nisy roa gony koa efa voatango sy voakarakara hamidy tratra tao an-tranony. Loharanom-baovao no nahafantaran’ny zandary momba […]
Tranga
Morarano Chrome: jiolahy enina maty voatifitra
Nifanjevo ny mpitandro filaminana sy ny olon-dratsy tao Morarano Chrome ka hatrany Andranobe distrikan’Amparafaravola, ny sabotsy alina teo. Maty voatifitra tamin’izay ny jiolahy enin-dahy nifanehitra tamin’izy ireo. Ny sabotsy alina teo, nifanenjika ny mpitandro filaminana sy ny olon-dratsy. Vokany, lavo nandritra izay ny efa-dahy. Nitohy tany Andranobe-Amparafaravola ny hetsika “Harato” […]
Fidirana an-tsokosoko : misy malagasy miray tendro amin’ireo maorisiana
Mitohy hatrany ny famotorana momba ilay sambokely nitondra teratany maorisianina niditra an-tsokosoko tao Vohémar herinandro vitsy lasa izay. « Misy ny teratany malagasy vitsivitsy ahina fatratra nifandray tamin’ireo olona niditra an-tsokosoko », hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. Notohizany fa mifandray amina resaka zava-mahadomelina mahery vaika ihany ity raharaha ity. […]
Fivadiham-pitokisana : mpiasa nangalatra 1 tapitrisa
Voaheloka higadra 8 volana an-tranomaizina, miampy lamandy enina alina sy roa hetsy, omaly, ny lehilahy iray. Nangalatra volan’ny mampiasa azy tetsy 67 Ha izy. Roa lahy ny mpiambina no nijanona tao an-tsena. Nilaza hody ilay mpangala-bola tamin’ny alina nahaverezan’ny vola. Nisy fotoana anefa, niserana tao an-tsena izy. Noho ny maraina, […]
Vazaha migadra : voasambotry ny zandary
Nifanena tamin’ireo zandary mpanao fisafoana afakomaly maraina tao Antonibe Analalava ilay teratany vahiny tafavoaka ny fonja tao Mampikony. Gadra nandositra izy. Misazy noho ny resaka vono olona. Ny 12 febroary teo tafavoaka ny fonja ny tenany. Tsy fantatra ny fomba nahatafavoahany tao. Ny ampitson’io, nivoaka avy hatrany ny filazana fikarohana […]




