Tranga

Anosizato: jiolahy niafina tao anaty armoara

Nifanehatra tamin’ny polisy misahana ny ady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika (SAG) teny Anosizato Atsi­nanana, afakomaly ny jiolahy iray tratra namaky trano. Nan­dritra ny fotoana nanaovan’ny polisin’ny SAG fisafoana teny akaikin’ny farmasia iray eny Anosibe no nahatrarana ity jiolahy ity. Nisy renim-pianakaviana iray tonga nampandre ny polisy momba ny fisiana asa […]

Andravoahangy: tratran’ny polisy ireo jiolahy mpangalatra fefy vy

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro teny Andravoahangay ambany, omaly, ireo jiolahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina ha­latra fefy vy. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny polisy, to­kony ho tamin’ny 5 ora sy 30 mn maraina, nifanehatra tamin’ ireo jiolahy telo ireo ny polisy mpanao […]

Ilakakabe: tokantrano roa nasesin’ny dahalo

Voasambotry ny fokono­lona sy ny mpitandro fila­minana ireo dahalo roa lahy nanao fanafihana tokantrano roa tao amin’ny tanànan’i Vohimena, kaominina ambanivohitra Ilakakabe, ny 5 fe­broary teo. Nasesin’ny dahalo norobaina ny tokantrano roa tao amin’io tanàna io ny alin’ ny 1 febroary teo. Nitondra fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy ka tsy sahy namaly […]

Horonan-tsary mamoafady: tratra ireo mpirahavavy mampiasa zaza tsy ampy taona

Niakatra fampanoavana omaly ny raharaha momba ireo mpirahavavy nanao sarimihetsika mamoa­fady. Ny zanany vao dimy taona ihany no nampilalaovina. Fantatra tao anatin’izay fa 25 sy 21 taona izy roa­vavy ireto. Manan-janaka lahikely dimy taona ity zoky vavy. Nifanaraka iretsy mpirahavavy fa ilay ankizilahi­kely no hanaovana ity zava-mamoafady ity niaraka amin’ […]