Tsy nahitana endrika vonoan’olona ity raim-pianakaviana hita faty ity nitsirara teo amoron-dalana tao amin’ny fokontany Ambalakisoa Toamasina, ny alatsinainy teo. Raha ny fanazavana voaray, tombanana ho manana aretim-borona izy satria nahitana ranovava maro nivoaka ny vavany sy ny orony. Mety nihetsika izany ka nianjera tamin’ny rano mihandrona, ny orana rahateo […]
Tranga
Zava-mahadomelina : mpivady nahatrarana rongony 254 fonosana
Noraisim-potsiny tamin’ny alalan’ny vela-pandriky ny zandary ireo telo lahy mpanaparitaka rongony tao Amboanjobe, kaominina ambanivohitra Bongatsara , distrika Antananarivo Atsimondrano, ny alatsinainy teo. Mivarotra ireo zava-mahadomelona ireo amin’ny tanora manodidina, efa nalaza ratsy teny an-toerana izy mivady. Natao ny fisavana ny tranon’izy mivady. Sarona tamin’izany ny fonosana rongony mitotaly 254. […]
Esira: nahatratra 17 ireo voasambotra
Mbola miatrana ao Besakoakely, kaominina Esira, distrikan’Amboasary Atsimo ny mpitandro filaminana taorian’ny fifandonana ny asabotsy teo. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tafakatra 17 ireo voasambotra tamin’ity raharaha ity. Voasambotra ny alahady teo tao Emitray ny 15 tamin’ireo raha afakomaly, tao Esira kosa ny roa hafa, hoy ny loharanom-baovao iray. Notohizany fa […]
Halatra maso : voasambotra ny sakaizan’izy roa vavy tao Bekily
Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha vono olona mahatsiravina tao Bekily ny alahady teo. Ankehitriny, voasambotra sy atao famotorana eny amin’ny biraon’ny zandarimaria ireo roa lahy sakaizan’izy roa vavy. “Voasambotra ny asabotsy teo tany Betania, fokontany sy kaominina Bekily izy roa lahy ireto.”, hoy ireo mpanao famotorana. Nambarany fa […]
Vavatenina : tokantrano 11 kilan’ny afo
Naratra vokatry ny famonoan’afo tamina trano 11 nirehitra ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Aviavazaha, kaominina ambanivohitr’i Maromitety, distrikan’i Vavatenina ny 2 febroary teo. Nandrehitra kitay tamin’ ny solika ny olona iray tamin’ireo tao amin ‘io tanàna io. Nataony be loatra anefa izany solika izany ka niredareda avy hatrany ny […]




