Voasambotry ny polisy ao amin’ny kaomisarian’Antaninandro (CSP3) teny Besarety Ambodimanga, afakomaly, ny jiolahy iray mbola tsy ampy taona. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra izy, raha ny tatitra nampitain’ny polisy. Naharay antso tamin’ireo olona teny amin’ny manodidina ny polisy, noho ny fisiana tovolahy iray mampiahiahy mihaodihaody eny amin’iny faritr’i Besarety iny. […]
Tranga
Menabe : raim-pianakaviana iray matin’ny dahalo
Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny fokontany Ampandrabe, kaominina Ankilizato, distrikan’i Mahabo, omaly. Niditra an-keriny nandroba omby miisa valo teo an-toerana ny andian-dahalo nirongo basy. Vokany, raim-pianakaviana iray 36 taona teo no maty voatifitra tao an-tranony tokony ho tamin’ny 02 ora maraina. Vita izay, norobain’ireo olon-dratsy ny omby. Ankoatra izay, lavon’ny polisy […]
Niady tao amin’ny kariera : lehilahy maty nolerana zava-maranitra
Potika ny lohany sady trobaka ny kibony, hita faty tao amin’ny kariera iray ao Ambatofinandrahana ny lehilahy iray, ny talata lasa teo. Nifanenjehana ireo namono azy. Nolerana zava-maranitra teo amin’ny valahany sy notontaina vato teo amin’ny lohany, namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy ny lehilahy iray tao amin’ny […]
Mananjary : mpamily tratran’ny torimaso fotsy namoa-doza
Nitrangana lozam-pifamoivoizana iray tao amin’ny lalam-pirenena faha-25, omaly tamin’ny 12 ora alina. Miisa sivy ireo olona tao anatin’ny fiara, tsy nisy ny naratra ary tsy nisy ny namoy ny ainy. Niseho teo amin’ny PK 159+600m, eo amin’ny fokontany Manakana, kaominina Tsarafahatra, distrikan’i Mananjary ny loza. “Tratran’ny torimaso fotsy ny mpamily […]
Vangaindrano : dahalo nanafika tanàna matin’ny fokonolona
Matin’ny fokonolona ny lehilahy iray avy nanafika tokantrano iray ao Mahavelona afakomaly. Tokantrano iray efa notafihin’izy ireo no niverenany tamin’io fotoana io. Notafihin’olon-dratsy ny tokantrano iray ao Mahavelona, kaominina Renivohitra, distrikan’i Vangaindrano afakomaly. Niantso vonjy ny tompon-trano antsoina hoe Bovin rehefa tafiditra tao an-trano ity jiolahy ka nivoaka namonjy azy […]




