Tranga

Filoha Rajoelina: nanome fanalefahan-tsazy ireo voafonja

Nisongadina nandritra ny kabary famaranana ny taona 2022 nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny fanalefahan-tsazy ho an’ireo voafonja. Toy izao ny fitsinjarana izany, araka ny fanazavan’ny Filoha. Ho an’ireo nahazo sazy an-tranomaizina mandritra ny dimy taona no ho midina dia hahazo fanalefahan-tsazy eo anelanelan’ny telo volana ka hatramin’ny valo volana. Ireo […]

Nambanana basy : mpivarotra voaroba 1 600 000 Ar

Lasan’ny jiolahy enin-dahy nitam-basy ny vola mitetina 1 600 000 Ar tao amin’ny fokontany Namorona, kaominina Anosiparihy, distrikan’i Mananjary, ny zoma 30 desambra teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tsenambarotra, nandroaka ny entana toy ny sakafo sy ny zava-pisotro misy alkaola ireo olon-dratsy. Nambanany tamin’ny basy ny tompon-trano ka tsy afa-nanao inona. Nirifatra nandositra […]

Saika hanafika : jiolahy nandratra vaviantitra voasambotra

Saron’ny polisim-pirenena miasa ao amin’ny faritra atsinanana, ny zoma tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany maraina teo ny iray amin’ireo jiolahy ikoizana ao an-toerana. Voatondro ho isan’ireo nanao halatra miharo herisetra tao Ambolomadinika ny herinandro teo, ny tenany. La­san’ireo totakely tamin’izay tokoa mantsy ny poketrana vehivavy lehibe iray. Ankoa­tra […]

Andraharo : mpitondra moto maty nifandona tamin’ny taxi

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy Andraharo, ny alin’ny 31 desambra teo. Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nitondra scooter. Nifandona tamin’ny ta­xi, namoy ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy ny mpitondra moto iray tetsy Andraharo, afakomaly alina. Niaraka nisotrosotro tamin’ny namany io lehilahy io, araka ny fanazavan’ny polisy. « Avy […]

Nahitana 1 tapitrisa Ar : jiolahy iray voasambotra

Tra-tehaky ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ny mpamaky trano iray ikoizana tao Ambositra, afakomaly. Nihaodihaody nanerana ny tanàna, nampandre ny ma­nam-pahefana ny mponina. Na­tao avy hatrany ny vela-pandrika. Vokany, voasambotra ny lehilahy iray niaraka tamin’ny vola nitentina 1 661 000 Ar. Nahitana kavin’omby dimy koa teny aminy. Natao ny fanadihadiana, nilaza […]