Maty tsy tra-drano ny mpangala-bary sarona tao Andriamifidy, fokontany Atetindravita, kaominina Ikalalao, anatin’ny distrikan’Ambohimahasoa, ny alarobia 28 desambara teo. Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, naharay antso avy amin’ ny ben’ny Tanàna ao an-toerana ny zandary fa nitrangana halatra vary tao anatin’ny fokontany. Nidina ifotony nijery izany niaraka tamin’ny mpitsabo […]
Tranga
Fiara vaky kodiarana: olona enina naratra
Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo Manakazo, fokontany Tsirarazana, kaominina Ankazobe, ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro. Tra-doza tamin’izany ny taksiborosy iray mampitohy an’i Sambava sy ny Renivohitra. Vaky tampoka ny kodiarana aoriana an’ilay taksiborosy ka nidaboka tamin’ny arabe ny fiara. Vokany, naratra ny mpandeha miisa enina tao anatiny. Zazakely […]
Mamon-drongony : nidaroka sy nahafaty ny renibeny
Tra-tehaky ny polisy ilay zafikely voalaza ho nahavanon-doza ka nandatsaka ny ain’ny renibeny tao Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro. Voasambotra, afakomaly, tao amin’ny fokontany Ambodimanga, distrikan’Ambatondrazaka ilay lehilahy voatondro ho namono ny renibeny. Mamon-drongony no nisetrsetra ary nidaroka io ramatoa be io ity zafikeliny ity. Araka izany, nampandre polisy ireo manodidina […]
Ambositra : mpivarotra roa maty, jiolahy roa lavo
Nitrangana fanafihana tao amin’ny fokontany sy kaominina Fahizay, distrikan’Ambositra, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Notafihana andian-jiolahy nirongo basy tamin’izany ny mpivarotra iray eo an-toerana. Vokany, maty voatifitr’ireo mpandroba ny ramatoa tompona tsena sy ny lehilahy iray hafa namonjy voina. Lasan’ireo mpanafika ny vola rehetra sy ny entana maro. Raikitra […]
Famonoana karana : maty voatifitra teny Tsiadana i Davida be
Lavon’ny polisy, omaly teny Tsiadana, i Davida be, jiolahy isan’ireo nanafika sy namono teratany karana iray tetsy Behoririka, ny herinandro teo. Hita tamin’ny “caméra de surveillance” an’ireo voatafika ny endrik’ity jiolahy ity ka nanamora ny fikarohana azy, hoy ny loharanom-baovao iray. Araka izany, fantatra ny mombamomba azy ka notadivina izy. […]




