Notafihan’ny jiolahy ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Bemasoandro, kaominina Vohimary Atsimo, Distrikan’i Vondrozo, afak’omaly. Voatifitr’ ireo dahalo teo amin’ny tratrany havanana ny tompon’omby ka maty ary lasan’izy ireo ny omby miisa telo. Nandositra avy hatrany ireo olon-dratsy taorian’izay. Tonga teny an-toerana nizaha ny zava-misy ny zandarimariam-pirenena any an-toerana taorian’izay. […]
Tranga
Toamasina : natelin’ ny ranomasina i Dada mpijibika
Ny mahay rano ihany no maty an-drano! Hita faty nantsingevan’ny ranomasina, omaly Ralaiarinosy Jean Marie 55 taona, fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe i Dada mpijibika (mpisitrika) anaty ranomasina. Malaza ho mahay maka trondro anaty ranomamy sy ranomasina izy ary manan-talenta manokana momba izany. Izy rahateo manana fitaovana fampiasany rehefa […]
Ambohimahasoa : fiara 4×4 latsaka tany anaty hantsana, olona iray maty
Olona iray maty, telo naratra mafy! Io no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Ambohimahasoa, omaly. Fiara 4×4 iray latsaka tany anaty hantsana. Nitrangana lozam-piarakodia nahatsiravina indray teny amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7), tao Ialatsara, fokontany Ampanidinana, kaominina ambanivohitra sy distrikan’ Ambohimahasoa; PK 345 +700, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Raha ny […]
Ihorombe : roa lahy nahatrarana rongony 12 gony
Voasambotry ny zandarimariam-pirenena ao Iakora, distrikan’Ihorombe ny lehilahy roa nitondra rongony, afakomaly. Nahazo loharanom-baovao tamin’ny olona tsara sitrapo ny lehiben’ny zandary ao an-toerana, ny 22 desambra lasa teo. Voalaza fa misy andian’olona maromaro milanja rongony any, ka handalo ao amin’ny kaominina. Nandray fepetra avy hatrany ny mpitandro filaminana vantany vao […]
Nanenjika tavoahangy nisy jorery : zazavavikely telo maty an-drano
Maty nalentiky ny rano ny zazavavikely telo. Nanenjika tavoahangy nisy jorery izy ireo, tao Ambavarano Antsahatanteraka, kaominina Fenoarivobe. «Nahita tavoahangy nisy jorery izay nentin’ny rano izy ireo tamin’ny 12 ora atoandro ka nanenjika izany. Tsy tafaverina intsony anefa», hoy ny nanatri-maso. Nahavoaray antso avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny Jly […]




