Tranga

Anatihazo Isotry: mpangalatra finday tratran’ny polisy

Voasambotry ny polisy teo anivon’ny boriborintany fahefatra, ny faran’ny herinandro teo, ireo olona roa mpangalatra finday sy mpamaky trano. Asa ataon’ny eo anivon’ny polisim-pirenena ny hamongorana ireo asa ratsy rehetra eto amin’ny Nosy. Maro ny paikady entin’izy ireo miady amin’izany toy ny fidinana ifotony, araka ny fanazavana. Vokany, nifanehatra tamin’ireo […]

Mahery vaika ny dahalo: zandary sy olon-tsotra iray maty voatifitra

Nanaraka dahalo mpangalatr’omby, lavo nandritra ny sakoroka ny zandary iray sy ny olon-tsotra iray tao amin’ny fokontany Mariarano, kaominina Ankirihitra distri­kan’Ambatoboeny, afakomaly. Nitondra omby 16 avy any Mahatsinjo, fokontany Anjia­kely kaominina Madirivalo ireo dahalo nitam-piadiana. Nanao fidinana ifotony ny zandary raha nahare izany. Tao anatin’ny sakoroka anefa, lavo ny mpanara-dia […]

Andohatapenaka: roa lahy mivarotra taolam-paty

Saron’ny polisy avy ao amin’ny CSP7 ny roa lahy nitondra taolam-paty tetsy amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy Andohatapenaka, afakomaly vao maraina. Avy any Toamasina ireto entana ireto ary nokasain’izy roa lahy amidy efatra hetsy ariary ny kilao. Iraka ihany anefa izy ireo, araka ny famotrana nataon’ny mpitandro filaminana azy. Nokaramain’ny tom­pon’entana dimy […]

Fandefasana mpiasa any Maorisy: nalefa eny Antanimora ilay mpisoloky, rehefa nahazo vola 24 tapitrisa Ar

Naiditra am-ponja vonjimaika, ny alatsinainy teo, ilay lehilahy mpisoloky olona milaza fa afaka mandefa hiasa atsy amin’ny Nosy Maorisy. Efa nahazo vola hatramin’ny 24 tapitrisa Ar izy tamin’io asa ratsiny io. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antani­mora, miandry ny fo­toam-pitsarana azy ilay mpisoloky gagilahy nahazo hatramin’ny 24 tapitrisa Ar. Voa­sambotry ny […]

Ivato: Bar iray nahitana fonosana rongony maro

Voasambotry ny polisy, omaly tolakandro, ilay lehilahy mpivarotra rongony amina bara eny Ivato. Naharay fitarainana mahakasika izany ny polisy ka nidina ifotony teny an-toerana. Vokany, tra-tehaka tamin’io fotoana io ny rongony 16 fonosana. Noentina teny amin’ny polisy avy hatrany ilay lehilahy tao an-toerana. Nambarany nandritra izany fa vehivavy iray no […]