Taksiborosy iray nitondra akorandriaka mainty “corail noir” milanja 80 kilao no tra-tehaky ny zandary mpanao sakan-dalana tao Antsirabe, afakomaly. Tokony ho tamin’ ny 11 ora sy sasany alina teo, voasakana teo Vinaninkarena ilay fiara ka voasava avy hatrany. Nandritra izay, tra-tehaka tao anaty valizy miisa roa teny ambony fitoeran’entan’ilay fiara […]
Tranga
Fanafihana teny amin’ny RN13: vaky loha ilay mpamily taksiborosy
Voatafiky ny dahalo ny olona 11 tao anatin’ny fiara mpitatitra iray nandalo teny amin’ny lalam-pirenena faha-13 hihazo an’i Taolagnaro, afakomaly vao mangiran-dratsy. Nifanehatra tamin’ireo dahalo teo akaikin’ny “Centre Univesitaire régionale Ambovombe” ity fiara mpitatitr’olona ity. Nahazo antso ny zandary ao Ambovombe ka nidina ifotony. Miisa telo ireo dahalo nirongo fitaovam-piadiana […]
Fakana an-keriny : Lavo i Masivelo, atao hazalambo ireo namany
Maty voatifitry ny zandary omaly i Masivelo, dahalo raindahiny mpaka an-keriny sy mpanao halatr’omby ao amin’ny kaominina Brieville. Ankehitriny, atao hazalambo ireo namany rehetra niray tendro taminy. Nitrangana fakana an-keriny tao amin’ny fokontany Antsapandrano kaominina Brieville, distrikan’i Tsaratanana, ny 18 novambra teo. Tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny 08 ora […]
Talatamaty: telo lahy tratra niaraka tamin’ny rongony 119 fonosana
Voasambotry ny polisy ny telo lahy mpivarotra rongony eny amin’ny manodidina an’i Talatamaty sy Ambohimangakely, ny zoma 25 novambra teo. Vokatry ny ezaka amin’ny fikarohana ireo mpanaparitaka zava-mahadomelina nataon’ny mpitandro filaminana, sarona tao an-trano fonenany Talatamaty- Faralaza ny roa lahy. Noraisim-potsiny teo am-pivarotana rongony izy roa ireto. Nosavaina, nahitana rongony […]
VOAPOIZIN’NY SAKAFO : olona fito naiditra hopitaly
Nihinana antsantsa boriloha, olona fito indray naiditra hopitaly tao Analapasy, distrikan’i Taolagnaro, faritra Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Naka ny hena avy tamin’ireo antsantsa roa, nahandro azy tamin’ny tokantranony ireto niharan’ny fanapoizinana ara-tsakafo ireto. Nitaraina ho narary kibo sy nandoa anefa izy ireo. Nentina namonjy toeram-pitsaboana (CSBII Analapasy sy CSBI […]




