Tranga

Antsirabe: vehivavy mpisoloky voasambotra

Ramatoa tompon’atoka tamin’ny fisolokiana voasambotry ny zandary tao Mahafaly, kaominina Antsirabe, afakomaly. Milaza ho mpiasan’ny orinasa iray ny tenany, ka norebireben’io ramatoa io ireo olona naniry hiasa ao. Nilaza fa hanokatra tobim-pahasalamana ao amin’ny kaominina Ambatolahy ny orinasa hiasany ka vitany ny mampiditra mpiasa amin’izany. Nangalany vola mitotaly 45 000 Ar […]

Hita faty tao anaty kirihitra : lehilahy tsy nisy voamaso sy hodi-tava

Niendaka avokoa ny hodi-tavany, tsy nisy voamaso intsony ary trobaka ny tendan’ny lehilahy iray hita faty tao anaty kirihitra, tao Fianarantsoa, omaly. Novonoina izy, araka ny fanadihadiana. Raim-pianakaviana nila ravinkazo no nahita fatin’olona efa simba tanteraka tao anaty lobolobo, ao amin’ny fokontany Bete­ravola, Fianarantsoa, omaly. Niondrikondrika naka ravinkazo vao maraina […]

Adina BEPC – Histo-Geo : mpianatra efatra indray tratra nanao hosoka

Tsy mety fay ! Mpiadina efatra manala ny fanadinam-panjakana BEPC indray no tratra nanao hosoka tao Ano­sibe An’ala, omaly. Nandritra ny fanatanterahana ny taranja Tantara sy Jeografia (Histo-Geo) no nahatrarana azy ireo. Efa nisy ihany ny fisavana ireo mpiadina teo am-pidirana saingy tsy hita ny zavatra nafenin’izy ireo. Teo amin’ny fisavana […]

Mpangarom-paosy : jiolahy iray tratra tao anaty taxi-be

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisa­rian’ Itaosy, omaly ny jiolahy raindahiny amin’ny harom-paosy. Marobe ny fitairanana voarain’ny polisy momba ny fisian’ireo jiolahy manendaka anaty taxi-be. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy nanara-maso teny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be, ankoatra ireo mody mandeha taxi-be hahafahana mijery ny fisian’ireo olon-dratsy. Nahitam-bokany izany […]

Roalahy voatifitry ny polisy : mpaka an-keriny, mpilalao ody ratsy

Maty voatifitry ny polisy i Bilo sy Karata mpaka an-keriny. Tra-tehaka niaraka tamin’izy ireo ny basy mahery vaika miisa enina. Nogiazana ihany koa ny ody ratsy fampiasan-dry zalahy. Lavon’ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Moratelo, kaominina Am­bodirano, distrikan’Ampa­ra­fa­ra­vola, ny 01 jolay teo ny mpaka an-keriny roa lahy. Tompon’antoka tamin’ny fakana raim-pianakaviana […]