Voasambotry ny zandarimaria miasa eo anivon’ny kaompania Tanà Ville ny lehilahy iray nandroba lelavola an-tapitrisany tao amin’ny efitrano fatoriana teratany vahiny iray tetsy Analakely, ny 8 janoary teo. Nidiran’io lehilahy io antsokosoko ny trano nisy ny teratany vahiny, ny alin’ny sabotsy 2 janoary lasa teo. Nihevitra ho tsy nisy nahatsikaritra […]
Tranga
Fanafihana tsena : Jiolahy iray maty voatifitry ny polisy
Notafihan’ny jiolahy miisa 12, nirongo fitaovam-piadiana toy ny basy vita gasy sy sabatra ary famaky, ny tsenam-barotra iray tany Ankilahila, kaominina Mitsinjo, disitrikan’i Toliara II, afakomaly tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Nodarohan’ireo olon-dratsy ny mpivarotra tao amin’ilay tsena, nandritra izany. Vokany, naratra mafy noho ny vono nahazo azy ity […]
Ankaraobato: Mpamongady lasibatry ny jiolahy nitam-basy
Nirefotra ny basy teny amin’ny kaominina Ankaraobato, ny alin’ny alakamisy 15 janoary teo. Tokantranona mpamongady iray norobain’ny jiolahy. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Ankadinandriana, kaominina Ankaraobato, ny alin’ny alakamisy 15 janoary teo. Niditra an-keriny tao amin’ny trano nisy ny fianakavian’ilay mpivarotra amina “grossiste” ireo olon-dratsy. Nitondra fitaovam-piadiana ny iray […]
Fianarantsoa : Lehilahy hita faty nifato-tenda
Raim-pianakaviana iray hita faty tao anaty lobolobo tao amin’ny tanànan’Isaha Atsimo, kaominina Fianarantsoa, ny marain’ny alarobia 14 desambra teo, tokony ho tamin’ny 9 ora. Mpanadio teny amin’ny toerana manodidina no nahatsikaritra tranga hafahafa. Nahatazana olona tao anaty kirihitra izy ireo kanefa tsy nihetsika intsony io olona io. Nanamarina ny zava-nisy […]
Ambodivona : Jiolahy lavon’ny polisy
Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana teny Ambodivona, lavon’ny bala, ny jiolahy iray, afakomaly alina. Malaza ratsy amin’ny fisiana mpanao sinto-mahery, mpanendaka sy asan-jiolahy eny amin’io faritra io ka nanao hetsika manokana ny ekipan’ny polisim-pirenena eo anivon’ny CUI sy ny UIR. Nahare antso vonjy tampoka tamin’ny olona nandalo izy ireo. Raikitra […]




