Tranga

Voaroba ny volabe an-tapitrisa : Mpivady novelesin’ny fito lahy nisaron-tava tamin’ny “bois ronds”

Voa teo amin’ny lohany, taorian’ny daroka nataon’ireo olon-dratsy azy, ny raim-pianakiaviana iray sy ny vadiny, tao Verrerie, kaominina Toamasina, omaly maraina. Lasa ny vola 4 tapitrisa Ar. Jiolahy fito niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Verrerie, kaominina Reni­vo­hitra Toamisana, omaly ma­raina tamin’ny 1 ora. Nitondra hazo « bois […]

Indroa nanolana ny zanak’anabaviny: Lehilahy naiditra vonjimaika any am-ponja

Tratra teo am-panaovana ny filan-dratsiny, nentin’ny fianakaviany teny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray 33 taona nanolan-jaza tetsy Anka­dindra­tombo, kaominina Ala­sora, afakomaly. Ankizivavy 8 taona, zanaky ny anabavin’io lehilahy io ihany no naolany, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro filaminana misahana ny fanadihadiana. «Nidiran’io lehilahy io tao an-trano […]

Nihotsahan’ny tany tanaty kariera : Roa lahy mpitrandraka vato maty

Nozeran’ny tany, tsy tana ny ain’ny mpitrandraka vato roa lahy tao amin’ny karieram-bato tao amin’ny fokontany Marojao, kaominina Andranomiely Atsimo, ny alarobia 22 avrily teo. Ni­asa tao amin’io toerana io ireo mpitrandraka. Niharan-doza tampoka anefa izy ireo rehefa nidina tany anaty lavaka mirefy 4 metatra. Nianjera tampoka ny tany manodidina […]

Asa mamoafady anaty internet : Olona efatra naiditra vonjimaika am-ponja

Naiditra vonjimaika am-ponja ny olona efatra, mikarama amin’ny fanodinana sy famarotana horonantsary mamoafady amin’ny internet. Mampiasa sy manararaotra vehivavy sahirana izy ireo. Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana, afakomaly, ny raharaha mahakasika ny fampiasana vehivavy manao asa mamoafady ao anaty internet teny Alasora. Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ny olona […]

Nikasa hanafika mpandraharaha: Jiolahy telo lavo voatifitra tetsy Andohatapenaka

Ravan’ny polisim-pirenena avy amin’ny Service anti-gang (Sag) ny fikasan’ny jiolahy hanafika mpandraharaha iray hanatitra vola teny amin’ny banky, omaly maraina. Jiolahy miisa telo, lavon’ny bala tetsy Andohatapenaka akaikin’ny CDA, tamin’ny 6 ora maraina. Nahazo vaovao marim-pototra avy amin’ny olon-tsotra ny polisim-pirenena avy amin’ny Service anti-gang (Sag) fa misy andian-jiolahy mikasa […]