Hatao ny 8 febroary izao, ny fiofanana maimaimpoana miompy trondro, eny amin’ny efitrano malalaky ny minisiteran’ny Jono (MPEB) Ampandrianomby, manomboka amin’ny 8 ora 30 mn. Mahakasika ny fiompiana an-dobo, an-tanimbary, ny sakafon-trondro, ny famokarana zana-trondro tilapia sy karpa ny fotoana. Eo koa ny fitantanana. Miisa 28 000 ny zana-kazo ambolena […]
Tselatra
TARATRY ny KANTO
Bolo etsy amin’ny Ethnika Analakely. Ilay hira “Ravitoto” no nahazoan’i Bolo ny amboara tao amin’ny sokajy “pop solo”, nandritra ny “RDJ Mozika 2023”, ny alahady teo. Ho fankasitrahana ny mpankafy ny fiarahana hatao ny sabotsy 10 febroary izao, manomboka amin’ny 9 ora alina. Maimaimpoana, araka izany, ny fidirana amin’ity “show […]
FANTINA sy FINTINA
Hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’i Etazonia sy i Madagasikara. Nivoitra izany tamin’ny nandraisan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, tetsy Anosy, ny masoivoho Amerikanina, i Claire Pierangelo. Anisan’izany ny fiarovana ny zo maha olona. Naneho fiaraha-miory amin’ny fahalasanan’ny mpanao gazety, i Lalaina Nalinjara, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. […]
TSELATRA
Mpangalatra telefaonina voasambotra tao amin’ny tranom-barotra iray etsy Behoririka, afakomaly. Efa mpanao io asa ratsy io ity lehilahy ity. Tsikaritry ny mpivarotra ny fihetsiny saingy mbola nikiry naka ny finday amidy ihany io olon-dratsy io. Noraisim-potsiny izy. Mpamaky trano iray norasain’ny fokonolona antsy ny tendany tao amin’ny fokontany Antsirabe I, […]
VAOVAO TAMBATRA
Efa vita ny fanarenana eo amin’ny lalam-pirenena RN4, sampanan-dalana Anjajia, PK437. Eo koa ny fanamboarana ny tetezan’Antanambao Andranoava, PK498+400, sy ny tetezamby eo Mangapaika, PK 505. Manampy ireo ny fanarenana ny lalana eo amin’ny PK466, akaiky ny tananan’i Beforona. Vita ny 1 febroary teo ireo asa ireo, avy amin’ny tetikasa […]




