Haka fanapahan-kevitra ny kongresin’ny HVM, anio. Nambaran’ny filoha mpitarika, Rajaonarimampianina Hery, omaly, tamin’ny fotoam-panokafana fa manan-danja ho an’ny fiainan’ny antoko politika ny kongresy nasionaly ka andraisana fanapahan-kevitra momba ny fifidianana. Manohana ny fifidianana demokrarika ny Amerikanina. Nambaran’ny masoivohon’i Etazonia, i Claire Pierangelo, omaly, fa manaraka akaiky ny zotram-pifidianana izy ireo […]
Tselatra
INDRAY MIJERY
Antsiranana no manana ny taham-pahafahana ambony indrindra tamin’ny sampana teknika ho an’ny bakalorea 2023. Nahatratra 89,68% izany ho an’ity taona ity. Fianarantsoa kosa no manana ny taha ambany indrindra: 56,08%, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa. Hisy atrikasa momba ny fahakivian-tsaina tanteraka, karakarain’ny […]
Sombim-baovao
Tratran’ny areti-kibo ireo maorisianina mpilalao basikety miisa telo, omaly. Hiatrika ny lalaon’ny Nosy eto Madagasikara izy ireo. Marihina fa efa eto an-toerana avokoa izy ireo, raha ny fanazavana voaray, efa voavaha ny olana ary efa salama tsara avokoa ny mpilalao. Tsiahivina fa i Maurice, miray vondrona « A » amin’i Madagasikara. Nifamotoana […]
VAOVAO TAMBATRA
Mitsangana ny orinasam-panjakana hitantana ny zotra an-dalamby an-tanàn-dehibe, na ny «Société d’exploitation du Train urbain» (SETU). Mitentina 100 000 000 Ar ny renivolan’ny orinasa, ka an’ny fanjakana malagasy ny 75%, ary an’ny kaominina, CUA, ny 25%. Tokony ho efa nandeha tamin’ny tapaky ny volana teo ity zotra an-dalamby ity. Voatendry […]
FANTINA sy FINTINA
Voatendry ho tale kabinetran’ny Prezidansa, Ranoromaro Lova Hasinirina, araka ny didy navoakan’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Hisolo toerana vonjimaika an’Andrianarisoa Romy, nisahana izany teo aloha ny tenany. Hanao ny kongresy nasionaliny eny Andraharo, anio sy rahampitso, ny HVM. Ho fantatra eo ny ho kandidà hatolotry ny antoko amin’ny […]




