Lomano. Manoman-tena any Toamasina, amin’izao fotoana izao, ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny taranja lomano. Efa herinandro izy ireo izay no nanomboka ny fampivondronana tao amin’ny dobo filomanosan’ny CRJS Toamasina. Hiverina eto Antananarivo ireo mpilomano, mialohan’ny talata 8 aogositra izao. Kitra Mondial, vehivavy. Nomontsanin’i Japon, tamin’ny isa […]
Tselatra
INDRAY MIJERY
Mitohy hatrany ny fitetezan’ireo fiarabe ireo distrika maro manerana ny Nosy amin’ny tolotra ara-pahasalamana «Sarobidy ny aiko». Nisitraka izany ny mponina tao amin’ny tanànan’Ambositra, 1 580 ny isan’ireo olona nisitraka tolotra maimaimpoana. Andro maneran-tany ho an’ny ady amin’ny fampiasana ankizy, foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Androy. Anisan’ny hetsika notanterahina, nandritra izany, ny […]
TARATRY ny KANTO
Mahatratra 16km ny tahiry ao amin’ny Arsivam-pirenena malagasy etsy Tsaralalana. Taratasy nifanaovana teo anivon’ny fanjakana efa tany amin’ny taona 1878 no voatahiry ao. Mbola ireo Sakaizam-bohitra tao anatin’ny Imerina enin-toko no nikarakara ireny taratasy ireny. Teo anatrehany no nanoratana ny zaza teraka, ny maty, ny fifanekena ifanaovan’ny olona, sns. Tontosa […]
FANTINA sy FINTINA
Natao sonia omaly, teny Alarobia, ny hanohanana eo amin’ny fitaovana sy ny kojakoja ny Ceni, iarahana amin’ny masoivohon’i Japon. Anisan’izany ny fanomezana fiara miisa 10 sy moto miisa 148 ho an’ny foibe sy ny rantsa-mangaikan’ny Ceni. Hifarana, anio ny dian’ireo iraky ny Sadc. Hanao tatitra any amin’ny filoha mitarika ity […]
Tselatra
Nidoboka am-ponja ilay mpamily nahafaty zazalahy 7 taona tao Toamasina Renivohitra, ny faran’ny herinandro teo. Tsiahivina, maty noraofin’ny 4×4 io zazalahy io raha toa ka nosokirina tao anelanelan’ny tamboho sy ny fiara ny reniny, ny alin’ny 23 jolay lasa teo.. Niafara amin’ny fampidirana am-ponja ny mpamily izany. Mpaka an-keriny roa […]




