Voasambotra ireo telo lahy mpanapaka sady mpangalatra hazo ao anatin’ny faritra arovana Angavokely Manjakandriana, ny faran’ny herinandro teo. Saron’ny zandary tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ireo tsara sitrapo, nahitana hazo miisa valo teny amin’izy telo lahy. Efa anaty fiara ny dimy raha toa ka sarona tany an-tranon’ireo olon-dratsy ny telo. Naratra mafy […]
Tselatra
Vaovao tambatra
Hampiakarina ho 750 m3 raha 200 m3, ankehitriny, ny rano kirakiraina ao an-tampon-tananan’Antsiranana I. Asa maika famatsian-drano any ny fokontany Mangarivotra, Tanambao Tsena, Tanambao Avaratra ary Maromagniry. Tetibolan’ny minisiteran’ny Rano, amin’ny alalan’ny tsenan’asam-panjakana, ka hahena ho 15 andro ny fe-potoana hisokafan’ny tolo-bidy. Hamboarina ny ampahan-dalana (RN 7) ao an-tampon-tananan’Antsirabe, mandalo any Mandanindresaka […]
INDRAY MIJERY
Manomboka ny volana aogositra hatramin’ny volana avrily ny fotoana mampirongatra ny valanaretina pesta. Efa miomana amin’ny fanentanana sy ny paikady hiadiana amin’ity aretina ity ny tomponandraikitry ny fahasalamana eny ifotony. Hatsangana any Ambilobe, ny hopitaly manara-penitra vaovao, araka ny nampanantenan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Haharitra enim-bolana ny fanatanterahana ny asa. Hanampy […]
Sombim-baovao
Hifarana anio ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho an’ny ligim-paritra, taranja baolina kitra. Ny sabotsy 12 aogositra ny hanatontosana ny fifidianana manerana ny ligim-paritra 23. Izay ho lany eo no hifidy indray ny filoha vaovaon’ny federasiona malagasy (FMF), ho an’ny taom-piasana manaraka. Hotanterahina ny 14 sy 15 oktobra 2023, any […]
TARATRY ny KANTO
Maro ireo fialamboly “vita Bacc”, tamin’iny faran’ny herinandro iny. Nanomboka izany ny “Fiderana vita Bacc”, teny Antsahamanitra, ny zoma teo. Somary vitsivitsy kanefa afa-po tamin’ny fiderana an-kira ireo tonga nanatrika. Nahatontosa ny iraka napetraka taminy ireo tarika sy mpanakanto marobe, toa an-dry Jaws Band, Aaron Pretra, Dida sy Tahiana, sns. […]




