Tselatra

FANTINA sy FINTINA

Nitondra fanazavana, manoloana ny resabe amin’ny mety ho fihaonan’i Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery ary koa ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny ny HVM. “Eto an-toerana ny mpanorina ny antoko fa tsy any Frantsa”, hoy Rakotovao Rivo. Matotra ny fiaraha-miasan’ny vondrom-pifankatiavan’ny parlemanta sinoa sy malagasy, araka ny nambaran’ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, tamin’ny fitsidihan’ny […]

TSELATRA

Raikitra indray ny fitokonan’ireo mpino sasany tetsy amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano, omaly. Nilanja sora-baventy, tsy niombon-kevitra, mahakasika ny fisian’ireo mpikambana anatin’ny birao mitantana ny foibe ireo mpino avy amin’ny solontenan’ny faritra sy avy ao 67 Ha. Niatrana nifehy ny toe-draharaha teny an-toerana avy hatrany ny polisy. Trano lehibe nisy […]

TARATRY ny KANTO

Nisongadina tany Italie ry Weaver Trio sy i Joro Rakotozafiarison, nandritra ny “Festival Bari in Jazz” tamin’ity herinandro ity. Tohin’ny fiarahana ta­min’ireo mpanakanto italianina izay nandray anjara tamin’ny “Nosy Boraha Festival” izany. “Be tige Comedy University Tour”, eny Ankatso. Fampisehoana hatsikana, anio, amin’ny 10 ora maraina izy ity, ao amin’ny […]

Vaovao tambatra

Mitsahatra ny fanambaran’ny mpanjifa ny tarehimarika amin’ny kaontera Jirama (auto-relevé). Hiverina hitety trano isam-bolana ny mpiasan’ny Jirama. Hisy ny fepetra manokana hanaraha-maso izany. “Antony, maro ny fanambarana ny fandaniana tsy voafehin’ny Jirama, ka mampitaraina ny mpanjifa », hoy ny minisitry ny Angovo. Atao vaindohan-draharaha ny fampiroboroboana ny toekaren’ny faritra tsirairay. Omen-danja ny […]

Sombim-baovao

Hotanterahina afaka 3 andro, eto Madagasikara, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy “Cadet” sy “Junior”, taranja Judo. Tsy nisy ny fiovana fa 36 mianadahy, izany hoe 18 mianadahy ho an’ny “Cadet” ary 18 mianadahy ho an’ny “Junior”, ny Malagasy judokas hifaninana amin’io, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Atleta mendrika indrindra […]